Nampahafantarina, omaly, ny fanombohana ny famolavolana ny Drafitrasa lasitra ny sehatry ny fiompiana eto Madagasikara (PDSem). Tanjona ny hisian’ny paikady matotra maharitra hampiroboroboana ny fiompiana eto Madagasikara. Nilaza ny tale jeneralin’ny Fambolena sy ny fiompiana (DGAE), ao amin’ny minisitera (Minae), Anondraka Michel, fa mifanandrify amin’ny andry roa lehibe nofaritan’ny filoha […]
Other News
Fambolena sy fiompiana : ampirisihina ny famokarana ny akora fototra
Antoky ny fampandrosoana ny toekarena ny fampiroboroboana ny fambolena sy fiompiana. Tokony hampitomboina ny famokarana akora fototra eto amintsika. Sehatra iray mifampiankina ny fambolena sy ny fiompiana. Miantoka ny famokaran-tsakafo ho an’ny olombelona sy ho an’ny biby ny fambolena. Ho an’i Madagasikara, ambany ny famokarana akora fototra, toy ny katsaka […]
TARATRY ny KANTO
Le By Pass after Work – Melky. Haka endrika “Cabaret dancing” ny fiarahana anio, manomboka amin’ny 8 ora alina, ao amin’ity toeram-pialamboly ity. Ny tarika Melky no handahatra ireo hirany, hampian’i Nanja, nasaina manokana. Mazava loatra fa ireo hira mampandihy, nitety vanim-potoana no halahatra mandritra izany. Hanafana mialoha ny sehatra, […]
MFF, andiany faha-19: miisa 177 ny sarimihetsika hifaninana
Efa fantatra avokoa ireo sarimihetsika samihafa, hifaninana ao anatin’ny Madagascourt Film Festival (MFF) andiany faha-19. Miisa 177 izy ireo, ary mizara sokajy efatra. Nifarana ny 14 avrily 2024 teo ny fisoratana anarana amin’ity hetsika lehibe ity, ary izao navoakan’ny mpikarakara izao ny lisitr’ireo afaka mifaninana. Nahatratra 347 ny sarimihetsika voaray […]
Seho roa samy hafa: hiray sehatra amin’i Njila sy i Rija Ramanantoanina i Poopy
Ny tao anatin’ny 40 taona? « Hotantaraiko anao, izaho sy i Njila », hoy ny lohahevitry ny seho voalohany. “Izaho sy i Rija” kosa ny seho faharoa, samy fampisehoan’i Poopy avokoa ireo. «Hotantaraiko anareo ny niantombohako nihira niaraka tamin’ny tarika Njila», hoy i Poopy. Izay no hanokafany ny seho “Izaho sy i […]






