Other News

Praiminisitra : “Paikady vaovao no iadiana amin’ny tsy fandriampahalemana”

Nidina teny ifotony ny fitondram-panjakana ary nitondra vahaolana. Nambaran’ny praiminisitra Ntsay Christian fa ilaina ny fiaraha-miasa ho amin’ny fametrahana fandriampahalemana. “Tsy maintsy apetraka ao anatin’ny fotoana fohy ny paikady vaovao entina hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny distrikan’Anjozorobe sy ny distrikan’Ankazobe ary ny ma­nodidina”. Io no nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, […]

Tanora mpandraharaha: misokatra ny « Loka Pierre Castel 2024 »

Efa nanomboka tamin’ny 1 marsa ka tsy hifarana raha tsy amin’ny 24 avrily izao, ny fisoratana anarana amin’ilay fifaninanana «Loka Pierre Castel» ho an’ny taona 2024. Natokana ho an’ireo tanora mpandraharaha 18 hatramin’ny 45 taona izy ity, izay monina eto an-toerana ary misehatra amin’ny fambolena sy ny indostria eto Madagasikara. […]

Fandraharahana: hitsangana ny « Palais de l’entrepreneuriat »

Ho fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana, hiara-hiasa ny federasion’ny Ante­nimi­eran’ny varotra sy indostria eto Madagasikara (FCCIM) sy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana (MIC) amin’ny fananganana ny Lapan’ny fandraharahana (palais de l’entrepreneuriat). Hitsangana tsy ho ela ny vovonana izay ivon’ny fifanakalozana eo amin’ny mpandraharaha sy ny […]

Tao anatin’ny telo volana: miisa 36 883 ny mpizahatany tonga teto Madagasikara

Tsy mitsaha-miakatra ny isan’ireo mpizahatany tonga eto Madagasikara. Ny volana marsa teo, miisa 14 550 ireo nitsidika ny Nosy malagasy. Manomboka miarina ny sehatry ny fizahantany eto amintsika. Miakatra miandalana ihany koa ireo antotanisa voaangon’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana. Ny volana marsa teo, nahatratra 14 550 ireo mpizahatany tonga teto […]