Other News

Tetikasa Kanto manabe : maneho ny asa tanany ireo mpianatry ny sekolim-panjakana

Maro ny manana talenta sy fahaiza-manao eny anivon’ireny sekoly ireny, saingy tsy misy ny sehatra ahafahan’izy ireo maneho izany. Ny mpiangaly sy mpankafy sary aloha no nahazo sehatra mandritra ity tetikasa Kanto manabe ity. Mbola hiitatra kosa ny tetikasa, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Tanterahina eny amin’ny Lapan’ny tanànan’Ana­la­kely, hatramin’ny 4 […]

Adim-piainana: mihamaro ny olona voan’ny rarintsaina, indrindra amin’ny sehatry ny asa

Betsaka ny olona mahatsapa sy ma­hafantatra fa voan’ny rarintsaina amin’izao fo­to­ana izao. Noho ny olana maro mianjady aminy, na eo anivon’ny tokantrano, any am-pianarana, ny any amin’ny toeram-piasana… Mety ho voan’ny rarin­tsaina avokoa ny olon-drehetra, zaza hatramin’ny olon-dehibe. Maro ny antony mahatonga ny tsindry ho an’ny tanora. Mety ho olana […]

FANTINA sy FINTINA

Manohy ny fomba ratsiny amin’ny fanerena ny mpiasam-panjakana ny mpitondra, araka ny nambaran’ny Solidarité syndicale, ny herinandro teo. “Taha­ka ny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ihany izany ka hatao ny fomba rehetra hampandaniana ny kandidàn’ny laoranjy. Raikitra ny ramatahora sy ny famindran-toerana”, hoy izy ireo. “Mijanona ho fampanantenana poakaty fotsiny ihany ireo […]

VHT : “Aoka tsy ho matin-kanin-kely isika vahoaka”

“Fanorenana ifotony an’i Madagasikara ny an’ny VHT. Satria mitotongana tanteraka ny raharaham-pirenena sy ny fanaovana politika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Vonona hijoro ho an’ny tanindrazana (VHT), Razana­koto Norbert, amin’ny fisian’ny fanambatambazana vahoaka amin’ny fizarazarana fanomezana na fanampiana mandritra ny fampielezan-kevitra amin’izao fiatrehana fifidianana depiote izao. Ny fifampiresahana no […]

Manadio dia manokatra!

  Nanaitra ny mpanara-baovao ny tsindrom-paingotra nataon’ny tompom-pahefana tamin’ny governora iray ny faran’ny herinandro lasa teo. Olona nomeny fitokisana sy tsy azo nohozongozonina mihitsy. Firifiry ny fitarainana nataon’ ny mponina tany an-toerana sy ny mpanao politika saingy, tsy nandairan’izany izy. Mafy rahateo ny hazondamosina niaro azy, araka ny feo niely. […]