Other News

SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina ny faran’ny herinandro lasa teo ny 1/16-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Telma Coupe 2024 », taranja baolina kitra. Nisafidy ny hiala an-daharana, noho ny antony ara-bola, ny Tsaramandroso FC, klioba mifaninanana amin’ny « Pure Play Football League”. Mbola hanefa ilay sazy amin’ny « PFL» izy ireo, araka ny vaovao voaray. Tafita avy […]

« Enduro Sherco Motul» : nahazo fandresena Andrianirina Andy

Notanterahina afakomaly, teny Merimandroso Ivato, ny dingana voalohan’ny fifaninanana nasionaly, taranja Moto “Enduro Sherco Motul”. Tamin’ity andiany voalohany ity, nahazo ny laharana voalohany Andrianirina Andy, Malagasy mpilalao Moto. Nahavita “tours” in-17 tao anatin’ny adiny roa izy rehefa avy namakivaky ny lalana feno sakan-dalana sy fotaka. Teo amin’ny laharana faharoa kosa […]

Handball – “CCCOI 2024”: hatao eto Madagasikara fa niala an-daharana i Maurice

Tsy vonona ny Maorisiana handray ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipa tompon’ny amboara, sokajy “senior”, taranja handball. Araka izany, hatao eto Madagasikara indray ny fihaonana. Noho ny disadisa anatiny misy eo amin’ny Fe­dera­siona maorisiana ny handball, tsy raikitra ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho […]

Ihosy : vehivavy nangalatra finday voasambotra

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny vehivavy iray nangalatra tao amin’ny fokontany Tanambao, kaominina Ihosy, ny 20 avrily teo. Nana­kaiky ny mpivarotra kojakoja tao an-toerana, nanao toy ireny mpividy ireny io ramatoa io. Nanontany ny vidin’ny kojakoja izy. Nandrasany ho variandriana ny mpivarotra ka norobainy ny finday vaovao miisa valo. Nentiny […]

Fizalaotra : hanao tohivakana ny hetsika

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny Ivato, ny fampahafantarana sy fanokafana ny fankalazana ny faha-45 taona nijoroan’ny Fizalaotra. Nohamafisin’ireo nandaha-teny tamin’izany fa efa mijoro sy amperinasa ny komity mikarakara ity fankalazana ity. Novelabelarina tamin’izany koa ireo hetsika rehetra ho­tontosaina. Anisan’izany ny fiaraha-mitsangatsangana sy ny fifaninanana samihafa eo amin’ny fanatanjahantena ary […]