Other News

Fifidianana depiote : ho vita mialohan’ny propagandy ny biletà tokana

Amperinasa tanteraka. Efa any Afrika Atsimo, ny herinandro lasa teo, ireo kojakojam-pifidianana hatonta. Manao ny ezaka rehetra ny Ceni amin’ny fikarakarana sy ny fanomanana ny fifidianana depiote. Nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Ceni fa efa atsy Afrika Atsimo ireo teknisianina sy ny ekipan’izy ireo. Manara-maso sy mijery akaiky ny fanontana […]

TSELATRA

Efa-dahy nosamborin’ny polisy noho ny fidorohana sy famarotana héroïne tao Fiofio, Mahajanga, omaly. Nidina ifotony ny polisy taorian’ny nahazoan’izy ireo loharanom-baovao. Tratra teo am-pitsindromana sady nikirakira io zava-mahadomelina mahery vaika io izy efatra mirahalahy ireo. Nambanan’ny roa lahy antsy, lehilahy iray voaroba teny amin’ny lalamby Ampefiloha, ny alahady atoandro teo. […]

Nodomin’ny taxi-be : mpitondra moto voa teo amin’ny lohany

Karohin’ny zandary ny mpamily taxi-be mampitohy an’Ivato sy Vassacoss izay nandona olona teny amin’ny sampanan’Ambohimanga Rova, afakomaly hariva. Nifaoka mpitondra moto iray io fiara io, ny alahady 21 avrily teo, tamin’ny 7 ora hariva. Nirifatra nandositra nanohy ny diany tao anatin’ny haizina io fiara nahavanon-doza io. Tetsy ankilany, nidaraboka tamin’ny […]

Ambohidratrimo : Sinoa hita faty teo am-pandriana

Hita faty tao an’efitrano fatoriany, ao amin’ny orinasa iray eny Antanety, fokontany Amboa­sary, kaominina ambanivohitr’ Iarinarivo, distrikan’Ambohi­dra­trimo, omaly, ny teratany sinoa iray 39 taona. Raha ny tatitra nampitain’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ambohidratrimo, nahazo fampitam-baovao momba ny fisian’io teratany sinoa hita faty io ny zandary, omaly ta­min’ny 7 ora sy […]