Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana amin’ny «Poule des As», ny fiadiana ny Atsimondrano Champions League (ACL), taranja baolina kitra. Fihaonana karakarain’ny solombavambahoaka, Andry Ratsivahiny sy ny Atsimondrano action sport. Nambaran’ ny mpikarakara tamin’ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, fa hotanterahina ny alahady 12 […]
Other News
Inter–Médias 2024: lasan’ny ORTM sy ny RVS ny amboara
Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja «Annexe» Mahamasina, ny fifaninanana ara-panatanjahantena nifanandrinan’ireo orinasan-tserasera sy ny mpanao gazety na ny «Inter-Médias 2024». Nandrombaka ny amboara teo amin’ny basikety ny ORTM, raha ny RVS kosa ho an’ny baolina kitra lalaovina olona 7. Ho an’ny basikety, resin’ny onjam-peo sy ny fahitalavi-panjakana […]
DAKA AN-JORONY: Olon’iza izato miserana
Nafana ny fandraisan’ny Malagasy ny fandresena azon’ny Makis Ladies, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby. Nandavo an’i Kenya, anisan’ny andrarezin’ny rugby mantsy ireo tovovavy malagasy. Maro ireo efa milaza fa hanohana. Tsy mahagaga izany fa tsy mitaingina soavaly maty ny ankamaroany. Ka olon’iza ary izato miserana? Handalo […]
Kitra – 1/8 Telma Coupe 2024: nahintsan’ny Ajesaia ny AS Fanalamanga
Notanterahina nanomboka ny sabotsy lasa teo, ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Telma Coupe 2024 ». Mbola misy ireo lalao tsy vita. Anisan’ireo tafita amin’ny dingana manaraka ny Ajesaia. Miakatra amin’ny dingan’ ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Telma coupe 2024 », taranja baolina kitra, ny Ajesaia Bongolava. Tafavoaka mpandresy tamin’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Mifarana anio ny fifaninanana basikety 3×3, lahy sy vavy “Shoot out”, andiany faharoa izay natao tany Antsirabe, nanomboka ny 1 mey lasa teo. Nahavory olona maro ny fifanintsanana. Betsaka ireo sokajin-dalao natao tany an-toerana, toy ny fifaninana mibala isa telo, “Dunk”. Tsiahivina fa niarahan’ny ligin’i Vakinankaratra sy ny Federasiona malagasin’ny […]






