Other News

Taekwondo: hofantatra anio ny ho filohan’ny federasiona

Hotanterahina anio, eny Alarobia, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona mala­gasin’ny taekwondo (FMTKD). Miisa roa ireo kandidà hofidina amin’izany. Anisany ny filohan’ ny FMTKD teo aloha, Rama­nantsoa Christian, sy ny lehiben’ny ligin’Analamanga teo aloha, Rakotomanana Franck Tiana. Tsiahivina fa amin’io fo­toana io vao hijoro ny vaomiera mikarakara ny fifidianana (Ceni). […]

3FB Toliara sy Mama FC: natsahatra ny lalao

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny andro fahafito, fifaninanam-pirenena, « Pureplay Football League (PFL) », taranja baolina kitra. Nisy ny lalao natsahatra noho ny fikasihan-tanana nataona mpijery iray tamin’ny mpitsara, teny Vonto­vo­rona, nandritra ny fifanandrinan’ny 3FB Toliara sy ny Mama FC. Araka ny loharanom-baovao iray, najanona teo amin’ny minitra faha-35, fizaram-potoana voalohany, […]

Rugby – “Can 2024”: hanala vela amin’ny ekipan’ i Kenya ny Makis Ladies

Efa ao anatin’ny fanomanantena farany amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby ho an’olona 12, vehivavy, ny Makis Ladies. Hanala vela amin’i Kenya sy i Afrika Atsimo izy ireo amin’ity. Mitohy etsy amin’ny kianja Makis Andoha­tapenaka ny fanazarantenan’ny Makis Ladies, eo amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho […]

FEPA andiany faha-16: hisongadina ny sehatry ny fiompiana

Tomombana avokoa ny fikarakarana ho an’ny hetsika “Tsenaben’ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy, (FEPA)” andiany faha-16, hatao ny 25 ka hatramin’ny 28 avrily, eny amin’ny Malagasy professionnels de l’élévage (MPE) Nanisana. Ho hita eny an-toerana mandritra ny efatr’andro ireo vokatra rehetra azo sy afaka entina hanatsarana ny fiompiana. […]

Filàna andavanandro: hatsangana ny lalàn’ny famokaram-bary

Hentitra ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra manoloana ny tsenan’ny vary eto amintsika. Hapetraka anaty didim-pitondrana ireo fepetra hiasan’ireo mpanangona sy mpivaro-bary akotry sy fotsim-bary vokarina eto an-toerana. Hofa­ritana ihany koa ny lalàn’ny fitsinjarana sy ny fivezivezen’ny vokatra ary koa ny fitsipika mifehy ny fitehirizana. Atao izany mba […]