Other News

Nilatsaka ny didim-pitsarana ho an’ny CUA : miato ny fitangosana Ticket eny amin’ny mpivarotra

Nambaran’ny mpanolotsain’ny Tanàna, Ravololomanana Lalatiana, omaly, tetsy Analakely, fa niakatra teny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (TA) ny fitoriana napetrany. Nivoaka ny didy afakomaly. “Nandresy isika. Miato ny fakana tapakila haban-tsena amin’ ireo mpivarotra eto Anta­na­narivo Renivohitra, araka ny didim-pitsarana nivoaka, afakomaly. Tsy mandoa vola amin’ny tapakila intsony […]

TARATRY ny KANTO

Erick Manana etsy amin’ny CCEsca Antani­mena. Mandalo kely aty an-tanindrazana indray ity mpanakanto ity. Manome fotoana ireo mpankafy azy izy, rahampitso alahady, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hiray sehatra aminy, mandritra izany, ireo namany ao amin’ny tarika Feo Gasy sy ny Lôlô sy ny tariny. Eo koa ireo mpitendry namany […]

Kiforomporon-teny : mila miloa-bava ny mpikaroka

Anisan’ny porofo iray hoenti-milaza fa miaina sy velona ny tenim-pirenena ny fisian’ny teny vao ao anatiny. Na izany aza, manomboka maro loatra ny kiforompo­ron-teny heno etsy sy eroa. Tsara ny mandray andraikitra, mamorona, fa mampieritreritra kosa ny fahenoana ireo voambolana vaovao sasany. Mazàna, tonga any amin’ny fanontaniana : « iza no namorona izany ? », ny fanadihadihana. Mila fitandremana be […]