Manamafy ny hafatry ny kardinaly Tsarahazana Désiré sy ny filohan’ny FJKM, Andriamahazosoa Irako Ammi, ny Hery politika mitambatra sy ny ACS. “Lasa fanangonan-karena sy fitadiavam-bola ny politika. Tsy misy mijery ny tombontsoan’ny vahoaka… Tsy misy fahamarinana ny fitantanana ny firenena”, hoy izy ireo, tetsy Mahamasina, omaly. Nanao fanambarana ny birao […]
Other News
Ramampy Zenaïde: “Mila manam-piniavana hirotsa-kofidina ny vehivavy”
“Aza andrasana homena na atolotra anareo ny fahefana fa raiso”, hoy ny filoham-boninahitry ny Filankevitra nasionalin’ny vehivavy eto Madagasikara (CNFM) sy ny Vondron’ ny miralenta ho amin’ny fampondrosoana (VMLF), Ramampy Marie Zenaïde, izay efa solombavambahoaka sy ben’ny Tanàna tany Ambalavao, faritra Matsiatra Ambony, teo aloha. Hisy fifidianana ato ho ato. […]
Mila mahay maka lesona
Mandehandeha mahita raha! Sehatra iray mahaliana ny olona aty ambanivohitra ny resaka politika. Tsy mifidy toerana lalovana fa izay hijanonana dia mitovy ny tadindokanga: Inona no malaza any Iarivo any? Inona ny vaovao? Ahoana ity vidim-piainana ity? Mankaiza ny zotran’ny fifidianana depiote? Ambetitenin’izay hivantanana na hijanonana ireo. Hita ny […]
Justice et Paix: “Atsaharo ny fampanantenana poakaty”
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny vaomieran’ny eveka, Justice et Paix, taorian’ny fivorian’izy ireo tetsy By-Pass, afakomaly. Hentitra izy ireo manoloana ny fiainam-pirenena. Nambaran’izy ireo fa aoka hajanona ny adilahy sy ny fisaratsarahana ary ny fankalahana. Aoka tsy hifanilikilika na hifanavakavaka, araka ny fanambarana. “Tsy maintsy mandray andraikitra isika. Reseo ny fisalasalana ary […]
TSELATRA
Zaza sendra nandalo voatoraky ny adala teny Ambohimanarina, omaly. Naratra mafy teo amin’ny lohany ilay zaza. Nentina namonjy ny CSBII ao an-toerana izy. Nofatoran’ny fokonolona ilay tsy salama saina. Notanana vonjimaika any am-ponja, taorian’ny fampanoavana ilay lehilahy namono nahafaty mpisolovava tao Nosy Be, afakomaly. Handeha hiantsena io mpisolovava io no […]






