Other News

Zanak’i Fianarantsoa: “Tokony hahay haka lesona isika”

Nanao tohivakana ny fanambarana. Nampahery ny filohan’ny Antenimi­erampirenena teo aloha, Razanamahasoa Christine, ny fikambanan’ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa, araka ny fanambaran’izy ireo, ny herinandro teo. “Tokony hahay haka lesona isika… Jereo ny tranga niseho tany Senegal… Afa-baraka eo anatrehan’ny sehatra iraisam-pirenena isika… “, hoy ny mpitondrateny, i Jean Baptiste. No­hitsin’izy […]

VAOVAO TAMBATRA

Milanja 2,5 taonina ny lavanila naondran’ny tantsaha avy ao amin’ny faritra Analanjirofo sy Atsinanana nankany Alemaina, ny herinandro lasa teo. Fanondranana voalohany nataon’izy ireo, ao anatin’ity lalam-pihariana ity, izany. Nalefa fiaramanidina niainga teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny vokatra. Mitentina 3 087,4 miliara Ar ny totalin’ny fanafaran’entana nataon’i Madagasikara nandritra ny […]

Harena an-kibon’ny tany : misokatra ny « Guichet unique d’exportation »

Nisokatra nanomboka ny herinandro teo, eny amin’ny Mining Business Center Ivato, ny «Guichet unique d’exportation». Dingana goavana hanamorana ny fikirakirana ireo antontan-taratasy ilaina amin’ ny fanondranana ny harena an-kibon’ny tany, toy ny volamena, metaly sarobidy ary vatosoa avy eto Madagasi­kara izany. Mivondrona amina toerana iray avokoa, araka izany, ireo sampandraharaham-panjakana […]

Orantsimba : misokatra ny fanjonoana

Niverina nisokatra nanomboka ny 1 avrily teo ny fotoam-panjonoana sy fitaterana ary fivarotana orantsimba (langouste) ao amin’ny faritra Anôsy, raha niato nandritra ny telo volana, nanomboka ny 1 janoary. Mahatratra hatrany amin’ny 449,4 kg ny vokatra tonga nandritra ny fanangonana ny antontanisa voaray eny anivon’ireo mpanangom-bokatra. Ankoatra izay, nilaza ny […]

“Women Rock in Digital” : mamiratra ireo vehivavy misehatra amin’ny niomerika

Mihamaro ny vehivavy misehatra eo amin’ny tontolon’ny niomerika (Information technology – IT)). Manampy tosika azy ireo sy mampahafantatra ny tombony azo avy amin’ny fikirakirana izany ny hetsika « Women Rock in Digital ». Fahombiazana. Mahave­lom­bolo sady mivoatra isan-taona ny hetsika karakarain’ny Avana Hub. Tafiditra amin’ny andiany fahadimy ny «Woman Rock in Digital» […]