Misesisesy ny fahitana olona velonaina soamantsara taorian’ny fotoam-bavaka nandroahana devoly, natao tetsy amin’ny Parvis Analakely, ny zoma 25 jolay 2026 teo. Taorian’io fotoana io, efa am-polony ireo olona hita. Velonaina soamantsara ary tsy misy atahorana ny fahasalamany, ara-batana sy ny ara-tsaina. Amin’ny ankapobeny, tonga manatona ny fianakaviany sy mody any […]
Other News
Voalaza ho nangala-jaza: Lehilahy iray nodoran’ny fokonolona
Maty nodoran’ny fokonolona omaly, ny lehilahy iray nampangaina ho mpangala-jaza tany amin’ny fokontany Dango. Renim-pianakaviana roa samy hafa no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka teny Ankadindramamy sy Antsirabe noho io resaka io ihany. Mila mitandrina ny rehetra! Manomboka miroso amin’ny fitsaram-bahoaka ny fokonolona. Lehilahy iray tsy salama saina, 32 taona, maty nodoran’ny […]
Pentathlon moderne – Mada 2026 : Hatao any Antsirabe ny fifaninanam-pirenena
Hontanterahina ny sabotsy 1 aogositra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja Pentathlon moderne. Handray izany ny faritra Vakinankaratra ka hatao ao amin’ny Kianja Lycée André Resampa Antsirabe ny fifaninanana. Araka ny nambaran’i Harimalala Poun, filoha lefitry ny Federasionina, somary natoritory ny Penthatlon tao ho ao fa efa […]
Taranja bisikileta : Misongadina atsy Maurice i Houlder Mohamed
Malagasy mpiangaly bisikileta nalain’ny klioba Faucon Flacq SC – KFC Maurice tamin’ity taona ity, i Houlder Fitahiantsoa Mohamed. Misongadina tanteraka izy any an-toerana, ankehitriny. Araka ny fanadihadiana natao sy ny vaovao navoakan’io klioba io, omaly, nahazo ny laharana faharoa tamin’ny fifaninanana Moka Rangers Challenge, ity Malagasy mpilaravinahitra ity. Nambaran’ity farany […]
SOMBIM-BAOVAO
Nahatratra 100 mahery ireo mpifaninana tamin’ny lalao hazakazaka am-bisikileta nokarakarain’ny ligin’ Analamanga, mitondra ny anarana hoe: «Rodorodon’I arivo ». Hetsika notontosaina ny alahady teo, niainga teo Andohatapenaka hatrany Ambohitrimanjaka. Tamin’ity andiany fahadimy ity, azon’i Bienvenue ny laharana voalohany. Miatrika fampivondronana eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny ekipa malagasy latsaky ny 18 […]






