Other News

VAOVAO TAMBATRA

Tanterahana mandritra ny telo taona ny tetikasa « Hetsiky ny firaisamonim-pirenena ho an’ny vahoaka, ny zavaboary ary ny toetr’andro », vatsian’ny Norad vola. Tetikasa hanohana ny vondrom-piarahamonina sy ny fikambanana eny ifotony. Tanjona ny hitantana ny harena an-dranomasina, amin’ny fanamafisana ny LMMA, ny fisafoana ary ny fanaraha-maso ny jono. Handray anjara […]

Halatra tany : Tompon’antoka ireo mpanao taratasy hosoka

Anisan’ireo fanamby apetraky ny fanjakana ny hamaha ny olan’ny fananan-tany eto Madagasikara. Mazàna tambajotra mpanao hosoka, mampiasa antontan-taratasy sandoka, mivarotra tany tsy ara-dalàna, mamoaka taratasy fananan-tany tsy ara-dalàna, ireo tranga samihafa misy. Misongadina ao anatin’ireo tranga niseho tao anatin’ny volana vitsy ireo disadisa samihafa. Matetika miainga avy amin’ny fampivarotana tany […]

Startimes: Mitombo ny tolotra vita malagasy

Mitohy ny fanomezan’ny orinasa Startimes fahafaham-po ny mpanjifa. Tolotra vaovao indray no homeny azy ireo, ary nitsinjovina manokana ny Malagasy manerana ny Nosy. Ani­san’izany ny horonantsary mitohy (série), mitondra ny lohateny hoe Famato. Handeha isan’andro, isaky ny amin’ny 6 ora hariva amin’ny Startimes manomboka amin’ny 12 aogositra ho avy izao. […]

Foire MEVA : Mitodika amin’ny sehatra iraisam-pirenena

Misokatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny Tsenabe Meva amin’izao, taorian’ny maha foaram-paritra azy. Dingana lehibe eo amin’ny fampiroboroboana ny toekaren’ny faritra Diana sy hanamafy ny fiaraha-miasa ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy ny any ivelany izany. Nankasitraka ny ezaka nataon’ny Anteni­mi­eran’ny varotra sy ny indostria (CCI) Antsiranana, tarihin’i Laou-Po Wing Wilfrid, ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nitondra valin-kafatra ho an’ny mpiasan’ny CUA ny minisitry ny Atitany. “Ny fahafahan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana tsirairay no mametra ny tambin-karama ho an’ny trano fonenana », hoy ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefa­na, Rakotonan­drasana Hanitra Velonjara Tiaray, teny Anosy, omaly. Andraisana lesona ny tranga nisy teto amin’ny firenena, araka ny nambaran’ireo firaisamonim-pirenena, manao […]