Hotanterahina eto Analamanga, ny 1 hatramin’ny 9 aogositra izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 14 taona, lahy sy vavy. Ekipa 48 lahy sy 41 vavy no hifaninana amin’izany. Kianja 3 eto Antananarivo dia ny eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina sy Kianja Barea eo ivelany roa no handraisana ny fifaninanana nasionaly U14, raha […]
Other News
TARATRY ny KANTO
Hitodi-doha eto an-tanindrazana ny Vetso Réunion. Hanatanteraka seho tokana eto Madagasikara izy ireo, ny 12 desambra izao, ao amin’ny CC Esca Antanimena. Holalaovin-dry zareo eny an-tsehatra ilay « comédie musicale » nampitondraina ny lohateny « Volan’Ambatovinaky » izay ahenoina sy ahitana kalon’ny fahiny bagasy manontolo. Tantara tsangana amin’ny fiteny malagasy. Ravahin’ny hairahan’ny ankehitriny, tahaka […]
« Jazz@Tohatohabato » : Omena sehatra kokoa ny Jazz Club CGM
Hotanterahina ny 5 aogositra ka hatramin’ny 9 aogositra izao ilay hetsika lehibe «Jazz@Tohatohabato», fanao isaky ny fotoam-pialantsasatra lehiben’ny mpianatra tahaka izao. Anisan’ny hampiavaka ny amin’ity taona ity ny fanamafisana ny fifandraisana, fifanakalozana eo amin’ny samy tontolon’ny kolontsaina. Eo koa ny fanomezan-danja ny toerana manan-tantara an-tanàn-dehibe. Hiavaka ny seho «Grande scène», […]
Fifaninanana « Moor1ng »: Hitiliana izay solontena malagasy
Efa lasa lavitra koa ny Malagasy amin’ny « jeux vidéos ». Hotontosaina ny 28 hatramin’ny 30 aogositra ho avy izao ny « Moor1ng », etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Ity fifaninanana ity no hitiliana izay ho solontenan’i Madagasikara any amin’ny « Tekken World World Tour », izay hifandonan’ireo tompondakan’ny firenen-drehetra handray anjara. Nampahafantarina tetsy amin’ny Yas Madagascar […]
« Manal’azy » andiany faha-35 : « Hatao andro mazava », hoy ny Olombelo Ricky
Hahemotra ny 1 aogositra izao. Izay no tapaka taorian’ny tsy nahafahana nanao hetsika ny alin’ny zoma 24 jolay teo, noho ny fisaonam-pirenena. «Hatao amin’ny andro mazava mba hialana amin’ny resaka lavabe mahakasika ny fandriampahalemana», hoy ny nambaran’ny Olombelo Ricky, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny Hôtel de l’Avenue, […]






