Lehilahy roa naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, rehefa niakatra fampanoavana teny amin’ny Fitsarana afakomaly. Namaky trano sy nanao sinto-mahery tetsy Itaosy, Atsimondrano izy ireo, ny 26 sy 27 feborary lasa teo, anton’ny fanenjehana. Tratra namoaka fahitalavitra tao amin’ny tokantrano iray tao Sakambahiny Ambanilalana, ny iray. Raha tratra nanao sinto-mahery teny […]
Other News
Nihidy avy anatiny ny trano: Sinoa roa kilan’ny afo tetsy Ankadikely
Sinoa miisa roa, tompona orinasa, niara-namoy ny ainy tao amin’ny fokontany Manjaka, kaominina Ankadikely, distrika Avaradrano, ny 2 marsa teo. Nitrangana firehetana tao amin’ny faritr’io orinasa io, ny harivan’ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny 6 ora sy 5 minitra hariva. Niantso ny sampana mpamonjy voina ny nanatri-maso. Nigadona teny an-toerana […]
Itaosy : Mpitondra moto namoy ny ainy
Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray nitondra moto taorian’ny lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tao amin’ny fokontany Tsarazaza, kaominina Itaosy, distrika Atsimondrano, ny alahady 1 marsa teo. Nandeha mafy io mpitondra moto io. Nifanoha-dalana taminy ny Bajaj mpitatitr’olona avy any Andrakaivo hihazo an’i Behenjy. Tsy voafehin’ilay mpitondra moto tampoka ny familiana. Nifatratra tamin’ilay […]
Tratra tao amin’ny toby fiereny: Jiolahy roa lavon’ny zandary tetsy Mahitsy
Nirefodrefotra ny basy tetsy Mahitsy, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo. Notratrarin’ny zandary tao amin’ny toby iray fiereny ireo jiolahy tamin’io fotoana io. Raikitra ny fifanjevoana ary lavo nandritra izany ny roa. Anisan’ny malaza amin’ny asa ratsy ataon’ny jiolahy ny eny amin’ny faritr’i Mahitsy sy ny manodidina. Ahitana tranga […]
Tsipy kanetibe : Nihazo an’i France i Lova sy Tiana
Nanainga omaly, nihazo an’i France, Rakotoarisoa Lova Satamandimby sy Razanadrakoto Tiana Laurens (Tonnerre) hiatrika ny famaranana lehibe amin’ny “Passion pétanque française” (PPF 2026), taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana hotanterahina ny sabotsy 7 sy alahady 8 marsa ho avy izao, ao amin’ny Boulodrome Douaisis. Anisan’ireo hiatrika izany i Madagasikara, ka hiaro ny […]







