Other News

Tetikasa “FyVary2” sy “VaryAla”: Mitombo ny vokatra, voaaro ny tontolo iainana

Nampahafantarina omaly 26 febroary, tamin’ny fomba ofisialy, ny tetikasa “FyVary2” sy ny “VaryAla”, tohanan’ny Sampandraharaha japoney ho an’ny fampandrosoana (Jica). Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) ary ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Min­supres). Miara-miasa amin’ny foibem-pikarohana eto […]

AGOA : Filoha mpiara-mitantana ny komity ny masoivoho malagasy

Voatendry indray ho filoha miara-mitantana ny komity misahana ny “African Growth and Opportunity Act” (Agoa) eo anivon’ny fikambanan’ny masoivoho Afrikanina any Etazonia, ny masoivohon’i Madagasikara ao an-toerana, Rakotomalala Solo Andry Lantosoa, miaraka aminy ny masoivohon’i Kenia. Tapaka izany nandritra ny fivorian’ny vondrona afrikanina natao tao Washington D.C. Adidy goavana miandry […]

Rabetsivoh Claudia : Lany ho filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Fivmpama

Vonona hanohana sy hanandratra avo ny fandraharahan’ny orinasa madinika sy salantsalany ny filohan’ny filankevi-pitantanana vaovaon’ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy, Rabetsivoh Claudia. Lany ho filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) vao­vaon’ny Fivondro­nan’ny mpandraharaha malagasy (Fivmpama) Rabetsi­voh Claudia, taorian’ny fivoriambe nataon’ireo mpikambana ny talata teo. Izy, araka izany, no vehivavy mpandraharaha voalohany hitarika ny fikambanana hatramin’izay […]

FANTINA sy FINTINA

Tonga nanao veloma ny praiminisitra, Rajao­narivelo Herintsalama, teny Mahazoarivo, omaly, i Alice Nzomukunda, solontenan’ny Vondrona Afrika­nina teto Madagasikara nandritra ny roa taona. Nan­kasitraka ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanodinkodinam-bola ary amin’ny fanamafisana ny fitantanana mangarahara ity solontenan’ny Vondrona afrikanina ity, tamin’izany. Afaka misitraka ny […]

Fanadinana mpianatra ho mpitsara : Manahy fisiana endrika kolikoly ny KMMGB

Namoaka fanambarana ny Komity manokana miady amin’ ny gaboraraka (KMMGB), omaly, ny amin’ny fisiana kolikoly amin’ny valim-panadinana fidirana mpinatra ho mpitsara ao amin’ny Sekolim-pirenena mpianatra ho mpitsara sy mpirakidraharaha (ENMG) tamin’ ny 17 sy 18 ary 20 febroary lasa teo. Ahitana ireo ray aman-dre­nin’ny mpiadina sy ireo mpiadina manerana an’i […]