Other News

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina rahampitso, eny Antanikatsaka Itaosy, ny lalao miverina eo amin’ny FC Rouge sy ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny. Fifanandrinana izay tafi­ditra amin’ny andro fahafiton’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra « Pureplay Football League (PFL) ». Mbola manala vela amin’io fihao­nana io ny FC Rouge. Mitohy hatramin’ny faran’ny […]

Fief Mada – « Ma-Hery Futsal »: Misongadina ny Oniversite IUM

Hiditra amin’ny lalao am­pahefa-dalana, anio, etsy amin’ ny Kianja mitafon’i Mahama­sina, ny fifanintsanana baolina kitra anaty efitrano ho an’ireo Oniversite, “Ma-Hery Futsal”, karakarain’ny Fief Mada. Ani­san’ireo Oniversite tafita hia­trika izany ny IUM. Misonga­dina izy ireo anatin’ity fifanin­tsanana ity, satria nahita fandresena telo sy faharesena iray tao anatin’ny fifanandri­nana efatra efa […]

Karate”Coupe de Mada” : Nosantarina tamin’ny fifampizarana

Fifampizarana teo amin’ny mpitsara sy ny mpitsabo no nisantarana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja karate, sokajy ankizy sy vehivavy, teny amin’ny Kianja mitafon’ Ankorondrano, omaly. Fifaninanana izay haharitra 4 andro, ka avy hatrany dia hiditra amin’ny ady, anio, hitohy hatramin’ny alahady 1 marsa. Natomboka tamin’ny fifaninanana ho an’ny ankizy […]

Rugby – XXL Top 12 : Hiady ho lohany ny Cosfa sy ny FTM Manjakaray

Hanamarika ny andro fahenina amin’ny fifaninanam-pirenena taranja rugby “XXL Top 12” ny fifandonan’ny Cosfa sy ny FTM Manjakaray. Hanala vela ny miaramila amin’ity. Ny fihaonan’ny roa tonta no hamaritra izay ho lohany amin’ny filaharana ankapobeny. Ho toy ny famaranana kely, araka izany, ny lalao. Hitohy etsy amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka, […]

VAOVAO TAMBATRA

Nampiasaina nanomboka ny 25 febroary teo, ny baka faharoa any Ifasy (RN6). Antony, efa fantatra isan-taona fa tsy azo ampiasaina ny lalana vahilava rehefa fotoam-pahavaratra toy izao, satria miakatra ny rano ka tsy maharaka ny fampiasana baka iray. Nomarihin’ny minisitry ny Asa vaventy, Razafindria­narivo Henri Jacob, tany an-toerana, fa tsy […]