Other News

Ny tody tsy misy!

  Mihazakazaka ny toe-draharaha mahakasika olom-bitsy na vondron’olom-bitsy misafidy ny lalana sadasada. Tsy mahagaga izany fa noho ny tombontsoa ifandrori­tana dia misy hatrany ny mpanoha-randrana sy mamadika namana. Tranga mateti-piseho eny anivon’ny fiarahamonina rahateo io tiatiakely sy manao rapadango, tsy mahay izay iafarany io. Mahavelom-bolo ny tsy fisian’ny tsimatimanota. Ma­ha­finaritra […]

Harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna : Maromaro ireo olon’ny fitondrana teo aloha enjehina

Namoaka ny tatitra momba ireo fananana sy harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ny eo anivon’ny sampandraharaha misahana izany (Arai), omaly. Anisan’ny tsy afa-bela amin’izany ireo olon’ny fitondrana teo aloha. Manodidina ny 200 mi­liara Ariary mahery ny vola nogiazan’ny sampandrandraha misahana ny famerenena amin’ny fanja­kana ireo harena azo tamin’ny tsy […]

Kaominina Alasora: Vehivavy nisoloky vola 10 tapitrisa Ar

Renim-pianakaviana vao teraka dimy volana nosamborin’ny ny polisim-pirenena teny Besarety, afakomaly. “Ni­so­loky vola mitetina 10 tapitrisa Ar tamina ramatoa iray io renim-pianakaviana io”, hoy ny fanazavana voaray teny amin’ny kaomiseran’ny polisy Alasora. Nilaza izy fa manana tetikasa ahafahana manodim-bola anatin’ny fotoana vaofaritra. Mifototra amin’ny fanaovana asa tanana vita amin’ny rafia […]

Adin’ny samy mpanofa trano: Tompon-trano maty voatsatok’antsy

Nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Andranomadio, Tomasina, omaly. Nifamaly noho ny resaka fanitso ny samy mpanofa trano tamin’io fotoana io. Raha ny fantatra, niady ho samy tompon’ny tafon-trano izy ireo. Tsy nisy nanaiky fa nitohy tamin’ny fifamaliana sy fanompana ary lasa fifampikasihan-tanana izany avy eo. Raikitra ny totohondry sy fandraisana antsy teo […]

Anjiro : Lamanisina nivadika, olona roa namoy ny ainy

Namoizan’aina olona ny lozam-pifamoivoizana an-dalamby tao Anjiro, omaly maraina. Fihotsahan’ny tany tao ambany lalamby no niteraka ny loza. Nihotsaka tampoka ny tany tao ambany lalamby ka nitarika fivadihan’ny lamasinina teny amin’ny kaominina Anjiro, PK 77+750, omaly maraina ta­min’ny 2 ora sy sasany. Niainga avy ao Antananarivo io lamasinina io, araka […]