Mitohy hatrany ny fifaninanana ho an’ireo mpitia tsipy kanetibe. Hotanterahina ny sabotsy 14 sy alahady 15 oktobra ho avy izao, ny “Grand open Telma”. Hampiantrano izany ny kianja Para Ivato. Hotolorana lelavola sy fanomezana ireo efatra voalohany, amin’ity fihaonana ity. Natokana ho an’olon-telo miaraka ny lalao ary misokatra ho an’ireo […]
Other News
“Madagascar Tennis Project” : hampiofana sy hizara traikefa i Miary Zo
Taorian’ny nahazoany ny mari-pahaizana DEJEPS Tennis, ho avy eto Madagasikara, hampiofana sy hanome ny fahalalany ho an’ireo kilonga sy mpanazatra, Rakotondramboa Miary Zo, Malagasy mpilalao tenisy, monina any Frantsa. Handalo eto an-tanindrazana, Rakotondramboa Miary Zo, ilay Malagasy mpilalao tenisy, tompondakan’i Madagasikara intelo misesy, sokajy “junior”, saingy efa miasa sy monina […]
INDRAY MIJERY
Hotanterahina amin’ny herinandro ambony ny hetsika fanaovam-baksiny miaro amin’ny lefakozatra natokana ho an’ny ankizy latsaky ny 15 taona manerana ny Nosy. Ilaina ny manamafy ny hery fiarovana amin’ny vaksiny atete indroa ao am-bava satria mbola ambony ny tahan’ny fangerena ankalamanjana mampitombo ny fiparitahan’ny loto sy ny otrikaretina. Hisolo toerana ny […]
Kandidà Andrianainarivelo Hajo: “Nopotehin’ny mpitondra ny Andrimpanjakana”
Nahitsy ny kandidà, Andrianainarivelo Hajo, tao amin’ny fahitalavitra TV5 Monde, manoloana ny fiainam-pirenena. ”Very hasina ny sata repoblikana noho ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna velona”, hoy izy. Noraisiny ho ohatra ny fanelingelenana mba tsy ho tratry ny fitsipaham-pitokisan’ireo depiote maro anisa ny praiminisitra. Ny fanomezana fahefana vonjimaika ny governemanta rehefa voatery nametra-pialana tsy ho filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Tokony ho ny filohan’ny […]
Antoko Fiombonana: “Aoka ho tony sy hitandrina isika…”
Nanao antso avo ho an’ny vahoaka ny antoko Fiombonana. “Aoka mba ho tony sy hitandrina amin’ireo fihantsiana sy fanakorontanana maro samihafa”, hoy izy ireo. Notsindrin’izy ireo koa fa miara-dia amin’ireo Vondron’ny kandidà 11 ny Fiombonana ary anisan’ny mitaky ny fampitsaharana tsy misy fepetra ny fanaovana herisetra sy ny famonoana ny mpiray tanindrazana. Ilaina koa ny […]






