Other News

Kandidà Andry Rajoelina : “Tsy nisy nahavita ny vitantsika”:

Nitohy tany Anivorano, Diana, indray ny fampielezan-kevitry ny kandidà Andry Rajoelina, omaly. Notanisainy tamin’izany ireo zava-bita sy ny hanohizana ny efa natomboka. Nambarany fa ao am-pony sy tiany Antsirana­na ka nilazany fa hiaraka hatrany noho ny fifankatiavana efa mitoetra. “Tsy mbola nisy filoha na mpitondra nahavita be izany teto. Maro ireo nampanantena saingy […]

Fivorian’ireo loholona: handraisana fepetra Razafimahefa Herimanana

Mirona mankany amin’ny fanonganana? Nanao fanambarana ireo loholona miisa 14, tetsy Anosikely, omaly. “Tsy maintsy mandray andraikitra ny loholona ka hangataka fivoriana tsy ara-potoana amin’ny governemanta hampiantso izany ahafahana mandinika ny fepetra tokony horaisina anatin’ny fotoana faran’izay haingana”, hoy izy ireo. Notani­sain’izy ireo amin’izany fa tsy kilalao ny fiainam-pirenena ary midika ho tsy fahamatorana ny fihetsika nasehon’ny […]

Masy Goulamaly, Ratsiraka Annick, R. Sylvia: “Takinay ny fikaonandohan’ny samy Malagasy…”

Mirona amin’ny ”Ady gasy”. Miray feo Ranaivo­jaona Sylvia (Malagasy La­vorary Perfect), i Masy Gou­lamaly (Avotantsika miaraka i Madagasikara), Ratsiraka Annick, sekretera nasionalin’ny antoko Arema, samy nikasa ny ho kandidà : “Tanjonay ny hisian’ny fifampihainoana ary ivoahana amin’izao krizy izao”, hoy izy ireo. Niantso ny sehatra sa­mihafa izy ireo mba handray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena eo amin’ny samy Mala­gasy. Melohin’izy telo mirarahavavy ny fampiasana herisetra. “Aoka […]

Andriamarotafika Soava : “Azo torohana ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fampielezan-kevitra”

Ao anatin’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Hanao ahoana? “Azo torohana ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fampielezan-kevitra”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava. Fanazavana… “Afa-manao fitorohana ny olom-pirenena, rehefa hitany hoe misy zavatra tsy ara-dalàna mandritra ny fampielezan-kevitra. Miaraka amin’ny porofo mazava izany”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba […]

TARATRY ny KANTO

«Jôkôsô – Festival du Rire». Fanolorana fitaovam-pianarana ho an’ny ankizy tao amin’ny Akany Felana Maitso Ambohibao, no nanokafana ny «Jôkôsô – Festival du Rire» andiany faha-3. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny seho niarahana tamin’ny Hery & Doda sy Tojo Renah. Fizarana iarahana amin’ireo vahiny avy any La Réunion kosa […]