Other News

Festival International Madajazzcar : mihamivelatra ny Jazz eto amintsika

Nitohy omaly, teny amin’ny oniversite Ankatso sy teny Andohatapenaka, ny «Festival International Madajazzcar» andiany faha-34. Samy nanana ny hanitra ho azy ny Jazz tamin’ireo toerana ireo. Tanjon’ny hetsika ny hampivelatra ity karazana mozika ity ho an’ny rehetra. Eo ihany koa ny fanomezana sehatra ireo mpiangaly ity mozika ity vao misandratra, […]

Vakodrazana : hanohy ny lalan’i Bakomanga ny R’Imanga Mandimby

Mitoetra ny kanton’i Bakomanga ! Mamelo-maso sy manohy ny lalana R’Imanga Mandimby. Hiaka-tsehatra haneho ny talenta nifandovana izy ireo. Telo taona lasa izay no nahalasanan’i Bakoma­n­ga… Mpanakanto anisan’ny niavaka indrindra teo amin’ny fameloma-maso ny hira sy ny dihy vakodrazana izy. Namelo-maso ny anaran’ity andrarezina ity ny tarika Bakomanga zanany, ary mbola […]

Vaovao tambatra

Vonona tanteraka ireo fotodrafitrasa handray ireo «scanner» vaovao hampiasaina ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Efa tafiditra tanteraka amin’ny fampiasana ny tetikasa «100% scanning» i Mahajanga sy i Toliara. Hampifandray ny tantsaha mpamokatra sy ny mpandraharaha, hanamafy ny famokarana mitodika amin’ny tsena. Ireo ny tanjona napetraka tamin’ny fahavitan’ny biraon’ny Antenimieran’ny varotra sy […]

Ady amin’ny valala : mamolavola paikady maharitra ny IFVM

Ho voafehy tanteraka tsy ho ela ny firongatry ny valala eto Madagasikara. Anatin’ny famolavolana paikady hanatanterahina izany indrindra ny ivontoerana famongorana valala eto Madagasikara (IFVM). Vinan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana rahateo ny hampitsaharana ny fihanaky ny valala, hiarovana ny fambolena ary hifehezana maharitra ny valala mba tsy hanimba voly. […]