Mahatratra 1 000 mahery ireo sinoa mivondrona anatin’ ny fikambanana Sinoa eto Antananarivo, raha ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana, Sam James, tetsy Antsakaviro, omaly. Mizaka ny zompirenena malagasy avokoa ny ankamaron’izy ireo satria teraka teto Madagasikara. «Efa nanomboka ny taona 1940 no teto ny ray aman-dreninay», hoy ity filohan’ny fikambanana ity. […]
Other News
Fiatrehana ny fifidianana : nampirisika ny tanora ny Yols
Nanatanteraka hetsika fanentanana ny tanora hifidy teny ankadikely Ilafy, ao amin’ny distrikan’Avaradrano, ny sabotsy 30 septambra teo, ireo tanora mpikambana eo anivon’ ny “Youth Leadership Seminary -Yols”. Tanora mpikambana avy amin’ny antoko politika maro samihafa izy ireo ary nahazo fiofanana manokana teo anivon’ny “Friedrich-Ebert-Stiftung – FES”. Niezaka nampitovy fijery ary […]
Prefet Antananarivo : “Aoka isika ho tony sy ho mailo amin’ireo mpanakorontana”
Nanambara mialoha ny herinandro teo ny perefet an’Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo ny amin’ny tokony hitonian’ny rehetra. Niantsoany fahamailoana koa izany. “Aoka isika ho tony sy ho mailo tsara amin’ ireo mpanakorontana”, hoy ny prefet, Antananarivo, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo, teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny fiatrehana ny […]
INDRAY MIJERY
Mbola manan-kery hatramin’ny anio ny filazana hamafin’ny rivotra eny an-dranomasina. Voakasik’izany ny morontsiraky ny faritra Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana, Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Fitovinany ary Vatovavy. Hitohy hatramin’ny rahampitso kosa ny filazana hamafin’ny alondrano ka mila mailo ny mpiandriaka. Mbola mitohy ny hetsiky ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Nisy […]
INIM 2023: hanome sehatra ny fihaonan’ny samy mpandraharaha
Tsy zoviana amin’ny maro ny lazan’i Madagasikara amin’ireo vokatra fanondrana, toy ny lavanila, jirofo, kanelina, kafe, letisia, kakao 100% fin, Ylang-Ylang, manga sns. Miavaka amin’izany vokatra ananany izany ny firenena malagasy. Indrindra amin’ireo karazan-javamaniry 15 000 isa tsy fahita maneran-tany sy ireo maro hafa. Hanome sehatra ny fihaonan’ireo samy mpandraharaha […]






