Other News

Hetsika iarahana amin’ny BNI : nizara traikefa i Andry Rajoelina

Nikarakara hetsika lehibe ny eo anivon’ny Banky BNI omaly, tetsy Ambodivona. Nanasan’izy ireo ny tanora mendrika indrindra teo amin’ny fandraharahana tao ana­tin’ny taona maro izany. Ani­san’ny voaasa tamin’izao fi­haonana izao ny filoha teo aloha, i Andry Rajoelina. Anisan’ny nampiavaka ity hetsika ity ny fihaonan’ireo tanora rehetra mendrika sy nahomby teo […]

Fikaroham-bahaolana notarihin’ny FFKM: tsy anisan’ireo nandray anjara ny kandidà n°3

Notanterahina, omaly, tetsy Ampandrana ny fampihaonan’ny FFKM ireo kandidà miisa 13. Nitondra fanazavana momba ny tsy fandraisana anjara, ny solontenan’ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry. Nambaran’ny solonte­nan’ny kandidà Rajoe­lina Andry, tamin’ny ala­lan’Andriamananoro Au­gus­tin, fa efa tao anaty laminasa amin’izao dinika fikaroham-bahaolana izao ny fahafahana mandefa solontena amin’ny fampihaonan’ny FFKM. Niditra minitra […]

Tsipy kanetibe : hotolorana 2 tapitrisa Ar ny tompondaka

Taorian’ny fahavitan’ny lalaon’ny Nosy, teto Madaga­sikara, tsy miandry ela fa mitohy ny fifaninanana ho an’ny Federasiona sport-boule malagasy (FSBM). Hiditra amin’ny fanatontosana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara indray izy ireo, amin’ity. Fihao­nana hatao mandritra ny hateloana, ny 29 septambra ka hatramin’ny 1 oktobra ho avy izao, eny amin’ny kianja PAC […]

SOMBIM-BAOVAO

Taorian’ireo resa-be mahakasika an’ ilay Malagasy mpilalao baolina kitra, Rakool. Nilaza Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta, filohan’ny “Orang­e Pro League” sy ny klioba CFFA fa tsy any Ambohimirary ny tenany fa any France amin’izao fotoana izao. Miandry ny anaran’ilay klioba fotsiny isika hoy ihany i Tôta. Ratovoarilandy Marlyn, Malagasy mpilalao […]

Kids Atheltics : hiofana ireo mpanazatra

Tafiditra ao anatin’ny fanatontosana ny fandaharam-potoana omen’ny Federasiona iraisam-pirenena amin’ny taranja atletisma (World Athletic), ny fanomanana ireo ankizy eo amin’ity taranja fototra ity na ny Kids Athletics. Anisan’ny misitraka izany ny eto Madagasikara. Araka izany, hotanterahina anio alarobia, eny amin’ny kianja Alarobia ny fampiofanana ireo olona manodidina ny tontolon’ny atletisma […]