“Matoa manohana ny fampandrosoana entin’ny filoha Rajoelina ny fianakaviambe iraisam-pirenena, mahafantatra izy ireo fa mandeha araka ny tokony ho izy izany”, hoy ny loholona sady filohan’ny vovonana Ifi, Ramanambitana Richard, teny Antananarivo Atsimondrano, ny faran’ny herinandro teo. Mba tsy ho voarebirebin’ny mpanenjika sy tsy tia ny fitondrana ny vahoaka, fa […]
Other News
Fifidianana filoham-pirenena : maka bahana ho kandidà Razafinjoelina Tahina
Miomana tanteraka. Nasongadin-dRazafinjoelina Tahina tamin’ny fandaharana manokana tamin’ny fahitalavitra maromaro, omaly, ny momba ny fifidianana. “Manam-pikasana ho kandidà filoha aho. Tsy maintsy ny antoko Tia tanindrazana no manapaka… Tsy mety ny mitazam-potsiny ny fahorian’ny Malagasy sy ny firenena ary tonga ny fotoana handraisana andraikitra”, hoy izy. Na izany aza, niaiky […]
Miandry fa Gasy !
Tapitra izay ny telo herinandro nomena ny minisitry ny Angovo, mahakasika ny delestazy. Andrasana ny fivoaran’ny fahatapahan-jiro sy ny fahasahiana handray fepetra hanasazy izay tomponandraikitra tsy nahavita ny asany. Iaraha-mahalala rahateo fa raha misy ny fitavozavozana amin’izany, ny filohan’ny Repoblika ihany no hizaka ny vokany voalohany. Tsy te hahalala afa-tsy […]
Fihaonan’ny filoha Rajoelina tamin’i Kagame ; “Ilaina ny fananana vina sy ny fitiavan-tanindrazana”
Noraisin’ny filohan’i Rwanda, Paul Kagame, tao amin’ny Lapam-panjakana ao Kigali, ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Voaresaka ny fiaraha-miasa sy ny dingana vitan’ity firenena ity. Nambaran’ny filohan’ny Repoblika fa manana ny fahaiza-manao sy ny haitarika ny filoha Paul Kagame. “Fakan-tahaka sy modely ho an’i Afrika noho ny ezaka lehibe nataony tamin’ny […]
TSELATRA
Fasana iray indray novakian’ireo tsy valahara tao Mananety Mahitsy, distrika Ambohidratrimo, afakomaly. Very tamin’izany ny taolan-dava rehetra tao am-pasana. Nakorontan’ireo jiolahy avokoa ny razana sisa tavela. Dahalo iray lavon’ny miaramila eo anivon’ny 422e Compagnie d’Infanterie Ambatomainty, ny sabotsy teo. Anisan’ireo nanao fanafihana tao amin’ny tanànan’Amposa, kaominina Mahabe ity maty voatifitra […]






