Other News

Filankevitry ny Tanàna : nankatoavina ny tetikasa «Fly over»

Anisan’ny nankatoavin’ny fivoriana tsy ara-potoana eo anivon’ny filankevitra monisipaly Antananarivo ny tetikasan’ny fanjakana “Fly over”, etsy Anosizato. Nambaran’ny filohan’ny filankevitra monisipaly fa tsy maintsy nangatahana fankatoavana amin’ny mpanolotsainan’ny Tanàna izany satria misy ampahan-tanin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra voakasiky ny tetikasa. Nankatoavina koa ny fametrahana tsangambato ao amin’ny Cité Analamahitsy noho ny […]

Ampitifirana Ankatso: notsaroana ny nitifirana ireo maherifo

Notontosaina teny Ampitifi­rana Ankatso, omaly, ny lanonam-pahatsiarovana ny nitifirana ireo maherifon’ny firenena tao amin’io toerana io. Ny 19 jolay 1948 no nitifirina ireo ma­herifon’ny firenena nitaky ny fa­hafahana sy ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Ireto avy ireo maherifon’ny firenena na­moy ny ainy ho an’ny Tanindra­zana teo amin’ity toerana ity : ny Lietnà […]

Fanomezana kopia : ankizy 4 000 no hisitraka ny tetikasa

Tontosa omaly, teny amin’ ny Organisation internationale de la francophonie (OIF) Anta­ninarenina, ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny OIF, momba ny fanomezana sora-piankohonana, ho an’ny ankizy. Any amin’ny faritra Itasy no hanombohana ny tetikasa, ary antenaina ny hiitaran’izany amin’ny faritra hafa. Ankizy 4 000 isa no hisitraka kopia, mandritra […]

Antoko Arema: “Tsy ahemotra ny fifidianana fa alamina”

Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Arema, tamin’ny alalan’ny sekretera nasionaly, Ratsiraka Annick. Anisan’izany ny momba ny volavolan-dalàm-pifidianana naroson’izy ireo. Nambarany fa nanolotra ny volavolan-dalam-pifidianana teny amin’ny Antanimi­erampirenena izy ireo. Tanjona ny ho fanatsarana ny zotram-pifidianana. “Fandaminana izany fa tsy fanemorana ny fifidiana. Hatao manara-penitra ny fifidianana […]

HPM: “Mila atao mazava ny lalàmpanorenana”

“Mahazo mirotsa-kofidina avokoa izay te hirotsaka. Na izany aza, mila atao mazava tsara ny lalàmpanorenana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny vondrona Hery politika mitambatra (HPM), Razaka Robert, manoloana ny fiatrehana fifidianana. Tsy mety raha samy manana ny fandikany ny lalàmpanorenana ny mpahay lalàna. Mila soratana mazava amin’ny maha Malagasy sy […]