“Tandremo: mandeha ny fifidianana, fa aoka tsy harebireby intsony. 140 miliara Ar raha ny vinavina hanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika, fa 70 miliara Ar no homen’ny fanjakana. Antsasa-manilan’ny vola ilaina izay 70 miliara Ar izay. Ratsy karakara ny fifidianana raha izany.” Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray […]
Other News
Vondrona Panorama : “Tsy mila Tetezamita ny fanemorana fifidianana”
“Tsy Tetezamita io fa fifanarahana politika. Tapitra ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika. Nefa isika mila fifidianana madio sy mangarahara. Ho tratra ve izay? Ho tratra izay raha hahemotra kely ny fifidianana. Tsy mila Tetezamita izany.” Io ny fanazavan’ny mpandrindra nasionalin’ny vondrona Panorama, Randrianirina Jean-Ignace. Tsy mila ravana ny andrimpanjakana, fa hatokisan’ny […]
Madagasikara sy Rosia : hifantoka kokoa amin’ny toekarena ny fiaraha-miasa
Nankalazaina ny taona 2022 ny faha-50 taonan’ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin’i Madagasikara sy i Rosia. Samy resy lahatra ny hanohizana ny fiaraha-miasa ny firenena roa tonta ary mitondra vokatsoa ho an’ny sehatra maro izany. Omena lanja bebe kokoa ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta ny lafiny fiarenana ara-toekarena, taorian’ny zava-nisy […]
Antanimora : nohamarinina ny isan’ireo voafonja
“Hampiadiana ny isa: mitovy ve ny isa aty amin’ny fonja sy ny any amin’ny fitsarana? Izay no hiaingana hahazoana manatanteraka ny politika momba ny fitanana am-ponja, fa tsy manao asa anjambany fotsiny fa miainga amina isa marina”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, tamin’ny fitsidihana indray ny fonjan’Antanimora, […]
Fiatrehana ny fifidianana : miantso ny tsy hifampihantsiana ny HCC
Nandray ny iraka manokana avy amin’ny Frankofonia (OIF), tonga eto amintsika ny eo anivon’ny HCC, omaly, tetsy Ambohidahy. Voaresaka ny hiatrehana ny fifidianana amin’ity taona ity. Nambaran’ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent sady nanafatrafarany fa aleo atrehina ny fifidianana. “Aoka atsahatra ny fifampihantsiana sy ny fanompana na koa fanivaivana atao any […]






