“Aoka tsy hisy ny adihevitra diso hoe mpanao politika no kendrena. Fitsarana tsy mitanila sy mahaleo tena no misy ankehitriny, ary miezaka mitsara ara-drariny. Tsy misy fitsarana ho an’ny manan-katao na tsia, na hoe natao hanenjika mpanao politika ihany.” Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Miezaka mitsara […]
Other News
Lisi-pifidianana sy tetiandrom-pifidianana : manaitra ny tomponandraikitra ny KMF/Cnoe
“Manao izao fanairana izao ny fikambanana mba hamoahan’ny Ceni ny tetiandro vaovao mazava indray mandeha momba ny dingana tsy maintsy mbola hatrehina mandra-pivoahan’ny lisitra farany.” Io ny fanambarana hoe “Ampahafantaro ny mpisehatra rehetra ny dingana manaraka amin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana sy ny tetiandrom-pifidianana”, nampitain’ny birao nasionalin’ny KMF/Cnoe-Fanabeazana olom-pirenena, omaly, momba ny […]
Miadana Fabien Privat : “Tratra aoriana raha izao vao hanitsy lalàm-pifidianana”
Hatramin’izao, mbola adihevitra politika etsy sy eroa ny amin’ny fanitsiana na fanovana lalàm-pifidianana. Hanao ahoana? Maneho ny fijeriny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat: “Raha tazonina ny datim-pidianana naroson’ny Ceni, tratra aoriana ihany raha izao vao hanitsy lalàm-pifidianana.” Dinidinika… Gazety Taratra […]
Teny malagasy: mifandimby manolo-kevitra ny Akademisianina
Hotontosaina, anio tolakandro, eny amin’ny Lapan’ ny Akademia Malagasy, Tsimbazaza, ny fivorian’ny sokajy haikanto sy hailaza sy ny sokajy haifiaina sy haifitondra. Mandritra izany fivoriana izany no hanatanterahana ny famelabelaran-kevitra sy dinika samihafa. Anisan’ny hitondra ny famelabelaran-kevitra amin’izany Ralambomahay Toavina sy Edouard Thomé de Charaix. Dinika sy famelabelaran-kevitra entina hanatsarana […]
Tratra ihany koa ny zavakanto : lasa mpampianatra avokoa ny rehetra
Mitambontsi-pandry ny zavakanto malagasy. Saika ahatazanana io tranga io ny ankamaroan’izy ireo, indrindra eo amin’ny kalitao. Maika loatra ? Ny fahamehana eo ihany fa ilay fomba nahatongavana eo amin’ny toerana maha «mpanakanto» no hafahafa ! Tsara ny mianatra mozika, kabary, hosodoko, sns, fa hadino ny mitazana na mamantatra ilay mampita […]






