Olona telo, avy amina ankohonana iray, naratra nilatsaham-potaka tao Volahotro, fokontany Ambalavao, Kaominina Morafeno, distrikan’Ambohimahasoa ny faran’ny volana janoary teo. Tao anatin’ny ora-mikija, nirefotra tampoka ny varatra. Niditra tao an-tokantranon’izy ireo. Vokany, naratra ny telo mianaka ka nentina namonjy hopitaly. Tsy nisy ahina ny ain’izy ireo.
Mois : février 2023
Halatra varira: Zazavavy sivy taona lasan’ny dahalo fito lahy
Tsy mety foana! Lasan’ny dahalo fito lahy nirongo fitaovam-piadiana indray ny zaza varira iray tao Ampitsapitsa, anatin’ny kaominina ambanivohitra Loafary, distrikan’i Vangaindrano, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy 31 janoary teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano nisy io zaza io ireo dahalo tamin’ny 02 ora sy sasany maraina. Tsy nisy fanazavana, […]
Taona 2022-Toamasina : 228 ny taratasin’ady notsaraina
Araka ny didim-pitantanana “ordonnance” laharana faha 191-CC/CAT/Toa/22 nosoniavin’ny filoha voalohany misahana ny sampam-pitsarana eo anivon’ny fitsarana Ambony Toamasina, nisokatra ny 5 desambra 2022 ny fotoam-pitsarana andiany faharoa ho an’ny “cour criminelle ordinaire, cour criminelle special aggravée de Toamasina. Voakasik’izany ireo toerana misy fitsarana ambaratonga voalohany anatin’ny faritany Toamasina, Ambatondrazaka, Moramanga, […]
Zandary sandoka: nandoro olona velona tamin’ny lasantsy
Loza tsy roa aman-tany ny niseho tao Sandrandahy distrika Fandriana. Lehilahy nisandoka ho zandary no nandoro olona velona, ny alahady teo. Ankehitriny, voasambotra ilay mpisandoka ho zandary voatondro ho nanao izany. Atao fanadihadiana izy ary hiakatra fampanoavana tsy ho ela. Ny alakamisy teo, very ny lakolosim-piangonana katolika iray ao Amboaimena. […]
Andriambilany : mpitondra scooter maty tsy tra-drano
Nandeha mafy loatra ! Maty teo noho eo ny mpitondra moto scooter iray teny amin’ny lalam-pirenena fahafito PK 59 + 020 teo amin’ny tanànan’Amboniriana, kaominina Andriambilany, distrikan’ Ambatolampy, omaly. Niditra fiolanana teo amin’io toerana io, tsy voafehin’ny mpitondra azy ny familiana ka nisosa nanaraka ny arabe ilay moto. Tsy tafarina , […]




