Mois : février 2023

Literatiora : mitohy ny hetsika momba ny fombam-pitenenana

Tontosa ny alarobia 1 febroary 2023, teny amin’ny Tranombokim-pirenena, ny ve­lakevitra momba ny teny malagasy. Lohahevitra ta­min’izany ny hoe “Ny fombam-pitenenana malagasy”, izay novelabelarin’i Sitraka Tanteraka Feno. Hisy foana ny hetsika sahala amin’itony ho fanatrarana ny tanjon’ny fi­ka­m­banana dia ny hanokatra sehatra ifanakalozam-pahalalàna mikasika ny kolontsaina sy ny literatiora ary […]

Hiditra amin’ny andiany fahatelo…: misokatra hoan’ny talenta marolafy ny “Festival Miaraka”

Rehefa mety ho sokajin-javakanto, hanentanana ireo mpanantalenta avokoa. Izay endrika fiarahana izay rahateo no lalantsaina voizin’ny “Festival Miaraka”… Hetsika hoan’ny forona maroloko, fanao isaky ny roa taona izy ity. Hotontosaina ny 3 hatramin’ ny 8 avrily ho avy izao ny andiany fahatelo amin’ny “Festival Miaraka”. Efa nanomboka ny fiantsoana ireo […]

Boriborintany fahaenina: havaozina ny fotodrafitrasan’ny tsena rehetra

Nidina ifotony teny ani­von’ny tsenan’Ambohima­narina ny ben’ny Tanàn’Anta­nanarivo, Andriantsitohaina Naina, omaly. Antony, mba hahafahany mijery sy mihaino ireo fitarainan’ny mponina sy ny mpivarotra eny an-toerana. Nandritry ny fidinana ifotony, nilaza ny ben’ny Tanàn’Anta­nanarivo fa tsy maintsy hohavaozina ny fotodrafitrasa rehetra eo anivon’ny tsena. Nohamafisiny fa asiana jiro manazava “eclairage pubic” […]

Sasa-miandry ny vahoaka

Dimy andro taorian’ny filazan’ny Filoham-pirenena fa hijery ny sosialim-bahoaka amin’izay ny fitondrana izay tarihiny dia miandry ny vahoaka any ifotony. Nilaza ny handeha hitety faritra izy, ka handrasana ny tetiandro mahakasika izany. Efa mivoajamala ny tra-boina, izay sady noana no rava fananana. Manginy fotsiny ny fiatrehana ny fidangan’ny vidim-piainana, iarahana […]

Teo am-pijerena Barea: lehilahy voatafika, maty voatsatok’antsy

Maty voatsindron’antsy teo amin’ny fony ny lehilahy iray, omaly, tetsy Ambalavao Isotry. Nisy nanafika tao an-tsenany izy, nandritra ny lalaon’ny Barea sy ny liona avy any Sénégal. Lehilahy iray, 22 taona tompona tsena fivarotana kojakojam-bisikleta iray etsy Ambalavao Isotry no tra-doza, omaly vao mangirandratsy. Voatsatok’antsy noho ny hetraketrak’ireo jiolahy nanafika […]