Vary, voamaina, menaka, bodofotsy… Ireo no natolotry ny fikambanana telo avy amin’ ny firaisamonina sivily teny amin’ny BNGRC, Antanimora, omaly, ho fanampiana ireo traboina noho ny rivodoza Cheneso farany teo. Teo ny Action sociale pour dévélopper (ASD) sy ny Groupement des sociétés civiles à Madagascar ary ny fikambanana Miara-dia. “Misy […]
Mois : février 2023
Otrikafo momba an’ireo Nosy malagasy: “Tsy misy tombony ny fifampidinihana amin’izao”
“Tsy misy tombony ho antsika ny fifampidinihana ny amin’ireo Nosy malagasy ireo raha izao no hatao”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia, momba ny fitakiana an’ireo Nosy malagasy manodidina. Tsy isalasalana ireo Nosy ireo fa tsy maintsy ho anisan’ny fepetra apetraky ny Frantsay ho tsy azo kitikitihina ho an’izay […]
Ravalitera Jacques Michaël: “Mila saro-piaro amin’ny fanaraha-maso ny raharaham-pirenena ny tsirairay”
Nifarana ny fanisana mpifidy mitety tokantrano. Aiza ho aiza ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy amin’izao? Manazava ny mpanolotsaina eo anivon’ny Ceni foibe, Ravalitera Jacques Michaël: “Samy mila saro-piaro amin’ny fanaraha-maso ny raharaham-pirenena ny tsirairay, fa tsy ny mpanao politika ihany.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ahoana ny amin’izao fiafaran’ny […]
Prix RFI Talents du rire 2022 : lasan’i Stephan Dipita ny amboara
Voafidin’ny mpitsara ho mpandresin’ny “Prix RFI Talents du rire 2022” andiany fahavalo i Stephan Dipita, mpanao hatsikana avy ao Cameroun. Mandritra ny famaranana ny hetsika lehibe “Abidjan Capitale du rire” andiany fahavalo no anehoana azy an-tsehatra sy hanolorana azy ny amboara 4 000 Euros. Ny “Festival Abidjan Capitale du rire” […]
Andrarezin’ny hira malagasy : hotanterahina ny “Herinandron’i Gabhy”
Hotontosaina, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano David Jaomanoro, ny 24 febroary ka hatramin’ny 3 marsa izao ny hetsika “Herinandron’i Gabhy”, karakarain’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Fotoana hampahafantarana ity andrarezin’ny hira malagasy ity. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny famoahana sy fanolorana ny boky “Gabhy Kintan’ny Kanto”, vela-kevitra momba ny “Ny […]




