Mois : avril 2023

Minisitry ny Fitsarana : “Azo hatsaraina hatrany ny lalàna mifehy ny Pac”

“Anjakan’ny demokrasia i Madagasikara. Natao hi­voatra koa ny lalàna. Raha misy mahita hoe mbola tokony ho­hatsaraina ny lalàna mifehy ny Pac, afa-manolotra fani­tsiana ny depiote.” Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fi­tsarana, Randriamanan­tena­soa Landy Mbolatiana, teny Anosy, omaly, momba ny fanakianan’ny firaisamonina sivily sasany fa manalefaka ny herin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny […]

Depiote R. Brunelle: “Saziana isika aty Ikongo”

Tsy nitsitsy fitenenana ny depiote Razafintsiandraofa Jean Brunelle tamin’ny fanamarihana ny 29 marsa teo, tao Ikongo. Notsiahiviny tamin’izany fa anisan’ny nampifidy ny mpitondra amin’izao fotoana izao ny tenany. “Aza hadinoina ny tantara, anisan’ny ambony indrindra ny taha nifidianantsika azy taty… Tsy tonga anefa ny nampanantenaina antsika hatramin’izao… Tena saziana sy […]

Nosakanan’ny Emmo/Reg : raikitra ihany ny hetsiky ny Tim tao Sambaina

Raikitra ihany ny fanentanana ny mpifidy. Tsy voasakan’ny fepetran’ny minisiteran’ny Atitany amin’ny tsy fahazoana mamory vahoaka ankalamanjana sy ny fanakanana nataon’ny Emmo/Reg ny hetsika nataon’ny Tim. “Tsy voasakana iza­ny intsony isika. Adin’ny kanosa ire­ny fa­nakatsankanana ireny”, hoy ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomana­na, raha nihaona amin’ny vahoakan’i Manja­kan­driana, omaly. Vory lanona […]

Herinandro masina : mitaona ny tsirairay handini-tena ny FFKM

“Mankalaza ny herinandro masina isika. Koa mitaona ny tsirairay handini-tena, hanaiky hiala amin’ny ratsy fanao, hibebaka.” Io ny hafatry ny FFKM, nentin’ny filohany, ny mpitandrina Andria­mahazosoa Irako Ammi, amin’izao herinandro masina mialoha ny Paska izao. Mba handraisan’ny rehetra ny fanavaozan’ny Fanahy Masi­na izany. I Jesoa velona nandresy ny fahafatesana ankalazaina […]

Loza aman’atambo

Tao anatin’ny herinandro vitsy, mivadika ambony ambany ny fiainan-dRamalagasy, indrindra ny eto an-drenivohitra. Mihalalina ny fahantrana, sanatria matimaty ho azy izany ny mpiray tanindra­zana. Mahonena sy mahalatsa-dranomaso ny mahita loham-piana­kaviana mamoy fo. Mirona any amin’ny famonoana ny ankoho­nany, avy eo mamono tena. Betsaka ny olona tsy mahazaka ny « donam-piainana […]