Tapitra tamin’ity taona ity ny tetikasa Filamatra, tanterahin’ny fikambanana Cemes, tany amin’ny kaominina Tsiafahy, distrika Atsimondrano. Miisa 274 ny mpisitraka nahatojo hatramin’ny farany, niofana ara-teknika ny lafiny fambolena, ny fambolen-kazo, ny fiarovana ny tontolo iainana, sns. Nahafa-po ny vokatra azo, na misy aza ny lesoka mila harenina. Tanjon’ny tetikasa Filamatra, […]
Mois : avril 2023
Dihy “Tango” : hisy vahiny hizara ny traikefany
Hisy ny atrikasa momba ny Tango, hotanterahina eto Madagasikara, iarahana amin’ ny kalaza eran-tany eo amin’ ity karazana dihy ity. Anisan’ ny ho avy eto hizara ny traikefa sy ny fahaiza-manaony i Jeremy Vannereau sy William Garcin ary i Eric Franceries. Ny Académie Nationale des Arts et de la Culture […]
« Rindran-kira ho anao » : hasongadina ny hiran’ny omaly
Hiavaka tanteraka ! Rehefa nosokajiana, tafiditra ao anatin’ny hiran’ny omaly ny ho re avy eny an-tsehatra, ny alahady 16 avrily izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ ny CCEsca Antanimena. «Rindran-kira ho anao», seho ahitana ireo mpanakanto miangaly io karazan-kira io. Mpanakanto sy tarika maherin’ny folo no […]
Festival Miaraka : haikanto samihafa no handravaka ny hetsika
Fiombonana ao anatin’ny fahasamihafana, indrindra ny eo amin’ny haikanto sy ny kolontsaina no anisan’ny tanjona amin’ity hetsika lehibe ity. Nisy ny vinan’ny mpikarakara hamondrona ny haikanto rehetra saingy ireo no tratra ny amin’ny fiaraha-miasa. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo, Andavamamba, ny “Festival Miaraka”, andiany fahatelo. […]
Ny filankevi-panjakana : manoka-baravarana
“Mety hiteraka disadisa ny fanapahan-kevitry ny manampahefana any amin’ ny faritra. Hisorohana izany sy hahatomombana ny filaminam-bahoaka, misokatra ny varavaran’ny Filankevi-panjakana sy ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana, ho azy ireo, ho fakana tolo-kevitra”, hoy ny filohan’ny Filankevi-panjakana vaovao eo anivon’ny fitsarana tampony, Ratolojanahary Marie de Jésus, nanao ny […]




