Tontosaina eny amin’ny Academie nationale des Arts et de la culture na ANAC, Anosy, ny sabotsy 6 mey 2023, ny atrikasa fanaovana « Percussions ». Misokatra ho an’ny rehetra ny atrikasa. Randrianasolomalala Victor, mpampianatra ity zavamaneno ity no hizara ny fahaizany sy hampianatra. Hampianarina ny fanamboarana “Percussions”, voalohany hatramin’ny farany, mitohy amin’ny […]
Mois : mai 2023
Horonantsary: miditra amin’ny andiany faha-18 ny “Madagascourt Film Festival”
Hetsika lehibe anisan’ny manome lanja ny tontolon’ny horonantsary eto Afrika, indrindra ny eto Madagasikara, ny Madagascourt Film Festival. Andiany faha-18 no hotanterahina amin’ity taona ity. Misokatra manomboka amin’ity volana mey 2023 ity ny fandraisana anjara amin’ny fifaninanana « Madagascourt Film Festival », andiany faha-18. Ny Fikambanana Rencontre du Film Court na RFC […]
Ralantoaritsimba Nirina : mitohy any Fianarantsoa ny atrikasa famoronana sy fanoratana
Tontosa, omaly, tao amin’ ny Direction régionale de la Communication et de la culture na DRCC Amoron’i Mania, ny atrikasa famoronana sy fanoratana eo amin’ny sehatry ny asa soratra. Ralantoaritsimba Nirina, mpanoratra boky sy mpampianatra eo amin’ ny sehatry ny literatiora, no hitondra sy hizara ny fahaizany amin’ny mpiofana, mandritra […]
Tribute to Bodo : « Tsy hanimba ny hirany izahay », hoy ireo tanora mpanakanto
« Tribute to Bodo », seho hanomezam-boninahitra ity mpanakanto ity, izay ao anatin’ny fankalazana ny 35 taona niakarany an-tsehatra. Mpanakanto mpihira sy mpitendry maromaro no voafidy handray anjara. Hotontosaina ny alahady 7 mey ho avy izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny CCEsca Antanimena ny « Tribute to Bodo ». Tetikasa iray anatin’ny […]
Lalaon’ny Nosy : nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra
Anisan’ny tena nibahan-toerana nandritra ny filankevitry ny minisitra, notanterahana afakomaly, ny mahakasika ny fandraisan’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Hatao ny 25 Aogositra hatramin’ny 03 Septambra 2023 izany. Firenena 7 mandray anjara : Madagasikara, Maorisy, La Réunion, Maldives, Kaomoro, Seychelles ary Mayotte. Manana ny fotodrafitrasa afaka mandray izany isika, misy […]




