Mois : mai 2023

« Antso tontolo miaina » : hampihaonina ny tontolo iainana sy ny kanto

Efa mby an-koditra ny fiovan’ny toetr’andro. Misy ny hetsika «Atson’ny tontolo miaina», hatao ny 20 mey hatramin’ny 5 jona 2023 (An­dro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana), etsy amin’ny Tour Zital An­ko­rondrano. Hetsika miompana amin’ny fandraisan’ny zavakanto anjara amin’ny fampitana hafatra fanairana eto Ma­dagasikara manoloana ny loza mitatao entin’ny fiovan’ny toetr’andro. […]

Fampiroboroboana ny fambolena : jerena ny voly mifanaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro

Masomboly tsara kalitao misy ireo singa sy otrikaina mitondra fahasalamana sy mifanaraka amin’ny toe-tany sy ny toetr’andro. Ireo no tanjona napetraky ny tetikasa Foodsec Semence entina hanatsarana ny seha-pambolena sy famokaran’ireo tantsaha. Anatin’ny fanatsarana ifotony ny lalam-pihariana famokarana sy ny fampitomboina ny mpamokatra ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana. Misy, […]

Fitrandrahana heladrano : mampiasa zaza maherin’ny 10.000

Mampidi-doza ny fitrandrahana heladrano na mica tsy ara-dalàna eto Madagasikara. Ankizy maherin’ny 10.000 no mitrandraka, ao amin’ny faritra Anosy. Misitrika any anaty lavaka ny ankizilahikely. Ma­hafaty ny fahasemporana aterak’izany noho ny tsy fahampian’ny rivotra. Mitatitra ny vokatra ety ambony ny tovovavikely. Matetika iharan’ny fanararaotana ara-nofo ataon’ireo mpanangona ny vokatra. Betsaka […]