Mois : juillet 2023

TARATRY ny KANTO

Anio ny “Manala Azy” andiany faha-30. Manomboka amin’ny 6 ora hariva ny fotoana efa ifanomezan’ny Olombelo Ricky amin’ireo avy nanala baka. Eo ihany koa anefa ireo “taranaka mpanala azy”, izay lasa mpankafy isaky ny alakamisy faran’ny baka. Tsy azo ihodivirana ireo hira nanamarika izay 30 taona maherin’ny “Manala Azy” izay, […]

Fi.Mpi.Ma : any Toamasina ny «Herinandron’ny kabary»

Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma). Ma­nana rafitra sy lamina mazava arahina ao anatin’ny taona iray. Anisan’izany ny fanatanterahina ny « Herinandron’ny kabary ». Ho an’ity taona ity, hotontosaina any Toamasina, ny 14 aogositra ka hatramin’ ny 19 aogositra izao, ito hetsika anisan’ny lehibe indrindra eo amin’ny tontolon’ny kabary malagasy ito. Tafiditra ao anatin’ny […]

Tao anatin’ny dimy taona : nitombo be ny isan’ny tononkalom-pitolomana

Ny mpanoratra, mpamosaka ny ampitso. Mety ho lakolosy fanairana ihany koa ny asa sorany. Nanana ny nampiavaka azy anefa ny fiainan-dry zareo ireto tao anatin’ny dimy taona… Taona 1960, nahatsiaro tsy mbola ho afaka i Ma­dagasikara. Nipololotra ny tononkalom-pitolomana. Taona 1972, nivaivay ny endriky ny mizana tsindrian’ila sy ny fampisaraham-bazana. […]

Ramamimampionina Gerard-Noël : “Manampy olona mba hijoro amin’ny maha izy azy sy ho olombelona marina”

Anisan’ny olona tia mandray an­draikitra sy ma­nampy ny sahirana Ramamimam­pionina Gerard-Noël. Nandrisika azy hirona amin’izany, ny fahatsapany sy efa nilonany tao anaty fahantrana nandritra ny fahazazany, raha ny fanazavana. Tia mandray andraikitra amin’ny sehatra maro samihafa (eo anivon’ny fianakaviana, fiarahamonina, fiangonana ary eo anivon’ny fiainam-pirenena…) Ramami­mampionina Gerard-Noël. Miainga eo anivon’ny […]