Mois : juillet 2023

Fanomezana kopia : ankizy 4 000 no hisitraka ny tetikasa

Tontosa omaly, teny amin’ ny Organisation internationale de la francophonie (OIF) Anta­ninarenina, ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny OIF, momba ny fanomezana sora-piankohonana, ho an’ny ankizy. Any amin’ny faritra Itasy no hanombohana ny tetikasa, ary antenaina ny hiitaran’izany amin’ny faritra hafa. Ankizy 4 000 isa no hisitraka kopia, mandritra […]

Antoko Arema: “Tsy ahemotra ny fifidianana fa alamina”

Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Arema, tamin’ny alalan’ny sekretera nasionaly, Ratsiraka Annick. Anisan’izany ny momba ny volavolan-dalàm-pifidianana naroson’izy ireo. Nambarany fa nanolotra ny volavolan-dalam-pifidianana teny amin’ny Antanimi­erampirenena izy ireo. Tanjona ny ho fanatsarana ny zotram-pifidianana. “Fandaminana izany fa tsy fanemorana ny fifidiana. Hatao manara-penitra ny fifidianana […]

HPM: “Mila atao mazava ny lalàmpanorenana”

“Mahazo mirotsa-kofidina avokoa izay te hirotsaka. Na izany aza, mila atao mazava tsara ny lalàmpanorenana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny vondrona Hery politika mitambatra (HPM), Razaka Robert, manoloana ny fiatrehana fifidianana. Tsy mety raha samy manana ny fandikany ny lalàmpanorenana ny mpahay lalàna. Mila soratana mazava amin’ny maha Malagasy sy […]

Fitsirihana lisi-pifidianana: manao fanitsiana avy hatrany ny Ceni

Nahitsy sy nohatsaraina avy hatrany izay azo natao avy amin’ny toromarika ta­min’ny fitsirihana, araka ny filoha lefitry ny Ceni, Andria­malazaray Andoniaina, ta­min’ny fitsirihan’ny OIF ny tontolon’ny fikarakarana fifidianana teny amin’ny Ceni, Alaro­bia, afakomaly. Ny se­hatry ny lalàna sy ny haitao ara-kajy mirindra ary ny fifandraisan’ny isan’ny mponina amin’ny isan’ny mpifidy […]

Rabary Paul: “Tokony mbola hampiakarina aza ny anto-bola 200 tapitrisa Ar”

Mahabe adihevitra ny nampiakarana ny anto-bola firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika ho 200 tapitrisa Ar. Tokony mbola hampiakarina aza izay, raha ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina, Rabary Paul. Fanehoan-kevitra… “Amiko, mbola tokony hampiakarina noho izao aza io 200 tapitrisa Ar io. Mba tsy hisy intsony eto Mada­ga­sikara ny kandidà tsy mieritreritra ny […]