Anisan’ny nankatoavin’ny fivoriana tsy ara-potoana eo anivon’ny filankevitra monisipaly Antananarivo ny tetikasan’ny fanjakana “Fly over”, etsy Anosizato. Nambaran’ny filohan’ny filankevitra monisipaly fa tsy maintsy nangatahana fankatoavana amin’ny mpanolotsainan’ny Tanàna izany satria misy ampahan-tanin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra voakasiky ny tetikasa. Nankatoavina koa ny fametrahana tsangambato ao amin’ny Cité Analamahitsy noho ny […]
Mois : juillet 2023
Protocole de Maputo : tokony hiroso amin’ny fanamafisana ny fifanarahana i Madagasikara
Nomarihina, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny faha-20 taonan’ny fahavitan’ny sonia fifanarahana, «Protocole de Maputo», tany amin’ny kaontinanta afrikanina. Fiaraha-miasa eo amin’ny Forum Génération Egalité Madagasikara no nanaovana izany. Efa nanao sonia izany i Madagasikara saingy tsy mbola nanao fanamafisana eo anivon’ny parlemanta. Nohararaotina, omaly, koa ny fampahatsiahivana sy […]
Vokatry ny korontana : very ny fifantohana, feno tebiteby
Tany amin’ny 4 ora hariva vao nanomboka ny adina Tantara sy Jeografia ho an’ireo mpanala baka, omaly, tamin’ny foibem-panadinana sasany. Tao anaty tebitebin-tsaina no niatrehan’izy ireo izany. Nitaraina ny amin’ny fahaverezan’ny fifantohana ireo mpianatra sendra anay teny amin’ny Lycée Rabearivelo Analakely. Tsy nampoizina ny fiovana tampoka ka niteraka fitaintainana. Manginy […]
Taranja Tantara sy Jeografia Bakalorea : haverina ny zoma izao ny adina »
Nandray fanapahan-kevitra ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony fa haverina ny zoma izao ny adina eo amin’ny taranja Tantara sy Jeografia ho an’ny sokajy A1, A2, C ary ny D. Niaiky ny minisitry ny Fampianarana ambony fa nisy tokoa ny laza adina nivoaka alohan’ny fotoana. «Vokatr’izay, noraisina ny fepetra nandritra […]
Ampitifirana Ankatso: notsaroana ny nitifirana ireo maherifo
Notontosaina teny Ampitifirana Ankatso, omaly, ny lanonam-pahatsiarovana ny nitifirana ireo maherifon’ny firenena tao amin’io toerana io. Ny 19 jolay 1948 no nitifirina ireo maherifon’ny firenena nitaky ny fahafahana sy ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Ireto avy ireo maherifon’ny firenena namoy ny ainy ho an’ny Tanindrazana teo amin’ity toerana ity : ny Lietnà […]




