Nihaona tamin’i Wang Yi, talen’ny birao misahana ny raharaham-bahiny any Chine, ny delegasionina malagasy notarihin’i Yvette Sylla, minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy. Fitsidihana an’i Chine ny 30 jona 2023 hatramin’ny 2 jolay 2023. Fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta no vontoatin’ny resaka tamin’izany. Nisy koa ny dinika mahakasika ny fivelaran’ny fiaraha-miasa […]
Mois : juillet 2023
Mirefarefa ny adihevitra!
Mbola resabe hifandroritana mandrak’izao ny momba ilay zom-pirenen’ny filohan’ny Repoblika. Ny manahirana, mibirioka ny ady hevitra. Mivadika zava-dratsy, mirona any amin’ny fifankahalana lalina. Zary vontoatin-tserasera hoentina mifamono ankolaka na mivantana mihitsy. Na mpanohitra na mpanohana fitondrana mpamono afo, lasa mitady hirika hanapotehina olona fa tsy foto-kevitra na firehana politika. […]
Ravalomanana Marc: “Mikatso tanteraka ny fiainan’ny firenena”
Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, omaly, teny Faravohitra. Notsikerainy tamin’izany ny fomba fitondrana ankehitriny. “Mikatso tanteraka ny fiainam-pirenena ary tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony eto”, hoy ny filoha mpanorina ny Antoko Tiako i Madagasikara (Tim), Ravalomanana Marc. Nohamafisin’ity filohan’ ny Repoblika teo […]
TSELATRA
Hataraina ny an’ireo olona teny amin’ny manodidina an’Anosy, omaly, nahita tovovavy iray tsy salama saina niboridana nivezivezy teny amin’ny arabe. Tsy fantatra mazava ny mombamomba azy fa izy efa nisasa tao anaty ranom-potaka no hitan’ny olona. Mitabataba tsy misy toy izany izy. Niezaka nanome akanjo sy nanala azy ny olona, […]
Noho ny delestazy : mirongatra ny asan-jiolahy mandeha moto ao Toamasina
Saika isan’andro! Mirongatra izaitsizy ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina mandritra ny fahatapahan-jiro lavareny any an-toerana. Mitaintaina sy mandry andriran’ antsy hatrany ny mponina manoloana izany. Ny talata hariva teo, nirefotra ny poa-basy tao Anjoma, manoloana ny biraon’ny APMF. Voaroban’ny andian-jiolahy nanao taingin-droa nandeha moto ny renim-pianakaviana iray nitondra moto “Cygnus […]




