Mois : octobre 2023

Ady amin’ny aretina pesta: “Misy tomponandraikitra tsy mahalala ny tokony hataony”

Rehefa tonga ny fotoana famadihana ary mirongatra ny doro tanety anatin’ny fotoana maina tahaka izao, miseho koa ny aretina pesta manomboka ny volana jolay hatramin’ny avrily, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Tsy manaja ny fe-potoana fito taona tsy azo hikitihana ny razana matin’ny pesta ny fianakaviana ka mampiparitaka ny […]

Sempama : “Misy mpanabe mbola mikarama 110 000 Ar”

« Mpampianatra toy inona no ilaina, mifandraika amin’ny fanabeazana irintsika ka manery antsika hitady vahaolana mahakasika ny tsy fahampian’ny mpampianatra » ny lohahevitra napetraky ny Unesco hanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny mpanabe, omaly. Mahatratra 200 000 ny isan’ny mpampianatra eto amintsika amin’izao fotoana izao : 75 000 ireo mpiasam-panjakana […]

Mpitatitra taxi-moto : tsy manaiky ny hisian’ny korontana eto amin’ny firenena

Manoloana ny korontana nisy teto Antananarivo, tao anatin’ny 3 andro izay. Misy fiantraikany betsaka amin’ny fitadiavam-bolan’ireo taxi-moto ny savorovoro, raha ny fanazavan’izy ireo. «Tsy miombon-kevitra amin’ny fanakorontanana misy amin’izao fotoana izao ny Vovo­nan’ny mpitatitra taxi-moto eto Madagasikara (VMTM), raha ny fanambarana natoan’izy ireo tetsy Andohatapenaka, omaly. Tsy eken’izy ireo intsony […]

TARATRY ny KANTO

“Fihaonana araka ny literatiora ». Tanterahina ny takarivan’ny sabotsy 7 oktobra 2023, eny amin’ny La Galerie Mozaik Antsahabe, ny fihaonana araka literatiora, iarahana amin’i Michèle Rakotoson, mpanoratra. Ny mahakasika ny boky “Ambatomanga, le silence et la douleur” no resahina amin’izany. Mpisehatra eo anivon’ny haikanto sy literatiora maro samihafa no hiaraka […]

Festen: anio no hanehoan’ny tarika ny maha izy azy

Tontosaina anio hariva, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Ana­lakely, ny seho ataon’ny Festen. Hetsika hanehoan’izy ireo ny rakikira “Repliçant” ho an’ny Malagasy mpankafy azy ireo. Ankoatra ny seho na­taon’izy ireo omaly, nandritra ny fampisehoana nanokafana ny hetsika. Seho maneho ny maha izy azy ireo ranoray no hasehony mandritra […]