Nitondra fanazavana sy fanentanana mahakasika ny maha zava-dehibe ny fisoratana sy fanamarinana ny anarana anaty lisi-pifidianana, Randriamasinoro Ny Rina, sekretera jeneralin’ny antoko Tiako I Madagasikara (Tim), omaly. “Ilaina ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidinana, ahafahana manintsy amin’ny ampahany izany lisitra izany. Io lisitra io izay nahitana tsy fahatomombanana maro nandritra ny […]
Mois : février 2024
Filoha Rajoelina Andry: “Tsy azo ekena ny fifamonoana noho ny hevitra tsy mitovy”
Nomarihina omaly, tetsy Antaninarenina, ny faha-15 taonan’ny “Raharaha 7 febroary 2009”. Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, tamin’izany, fa nanamarika ny tantara izany noho ireo lavo teo amin’io toerana io. Notsiahiviny tamin’ny lahateniny ny hikiaka sy taraina ary ny alahelo sy tomany tamin’izany fotoana izany. Niainana ny fitiavan-tanindrazana tao am-po ka nankaherezany […]
Depiote Rajoelina Seth : “Mety na hatambatra na sarahina ny fifidianana”
“Manaiky izay fanapahan-kevitra fantatra fa hahasoa ny firenena izahay”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote IRD voafidy tany Fianarantsoa I, Rajoelina Seth, momba ny fiatrehana fifidianana. Na hatambatra ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna sy ny fifidianana depiote na halefa tsirairay na mitokana, mety izay fanapahan-kevitra mivoaka eo. Satria matoa […]
Soalihy Moussa : “Fanaraha-maso ny sekretariam-panjakana”
“Ireo sehatra mavesabesatra any amin’ny minisitera no sintonin’ny filohan’ny Repoblika harahi-maso. Tena fanaraha-maso no antony nanaovana ny sekretariam-panjakana”, hoy ny fanehoam-pijerin’ny mpandinika raharaham-pirenena, i Soalihy Moussa, momba ny sekretariam-panjakana. Tsy tokony haha vahiny izany, fa efa maro ny nanao azy teto amin’ny tany sy ny fanjakana. Tamin’ny fitondran’ny HVM aza, […]
Miadana Fabien Privat : “Aleo hisaraka ny fifidianana kaominaly sy ny depiote raha tiana ho vita tsara”
Fifidianana kaominaly sa ny fifidianana depiote no tokony hatao aloha amin’izao? Lasa adihevitra be… Manana ny fijeriny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat: “Raha ny fahavitan’ny fifidianana no tanjona, mety ny fampiarahana azy. Fa raha fifidianana hoe vita tsara, aleo hisaraka… […]