Basikety – OQT Debrecen : hiofana any Serbie ny Ankoay 3×3

Anisan’ireo firenena 16 mandray anjara amin’ny fifaninanana OQT any Debrecen Hongrie, ny 16-19 mey ho avy izao i Madagasikara. Ho fiatrehana izany, haka traikefa ao amin’ilay Akademian’ny Basikety 3×3 any Novi Sad Serbie, ny Ankoay 3×3.

Nambaran’ny filohan’ny Federasiona malaga­sin’ny basikety (Fmbb), Ramaroson Jean Michel, omaly, teny Ambohijatovo, fa hanainga anio hihazo an’i Ser­bie, ny ekipa nasionaly mala­gasy Ankoay 3 x 3, “sénior”, lehilahy. Hiofana ao amin’ilay akademian’ny basikety 3×3, any an-toerana izy efatra mirahalahy sy ny mpanazatra.
Marihina fa natao hiatre­hina ny fifaninanana “OQT Debrecen Hongrie”, ny 16 – 19 mey ho avy izao ity fiofa­nana ity. Tsara ny mampaha­tsiahy fa lalao fifanintsanana hiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny lalao “Olympika Paris 2024”, ny “OQT 2024”.
Ny 15 mey ho avy io no hiala ao Serbie ny ekipa na­sionaly ary hamonjy ny fihaonana any Hongrie.
Tsara ny mampahafan­tatra fa ao amin’ny vondrona “A” no misy an’i Madagasi­kara. Hifandimby hihaona
amin’izy ireo, i Allemagne, i Suisse, i Lithuanie. Izay fire­nena telo voalohany no hia­trika ny lalao Olympika.

Hanohana ny FMBB ny CT Motors

Mifanolo-tanana amin’ny fiatrehan’ny Ankoay 3×3 ny fifaninanana “OQT” ny CT Motors sy ny FMBB. Nisy ny fanaovan-tsonia fifanarahana mahakasika izany omaly, teny Ambohijatovo. Tsara marihina fa izay vao nanohana ekipa nasionaly amin’ny taranja hiombonana ny CT Motors. Nanolotra fanomezana ho an’ny delegasiona malagasy hiaro ny voninahi-pirenena any Debrecen moa izy ireo.

Fitia Randria

 

Partager sur: