Nahazo boky torolalana ho an’ny taranja kajy, kilasy T2, ireo mpampianatra ao amin’ny Cisco Ihosy. Tanjona ny hanatsarana ny fampianarana io taranja io sy hofampitana izany amin’ny mpianatra. Ny foibem-pitondrana misahana ny fanamorana fanatanterahana tetikasa (UFP) no niandraikitra izany. Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny tetikasa PAEB nanaovana izany. Hotanterahina ny zoma […]
Mois : avril 2024
Fandalovan’ny rivodoza : 339 miliara Ar ny hanarenana ny fotodrafitrasa
Mahatratra 339 miliara Ar ny vola ilaina ho fanarenana ny simba taorian’ny fandalovan’ny rivodoza sy ny rotsakorana be farany teo. Tombana nataon’ny ekipan’ny BNGRC sy ny mpiray ombon’antoka rehetra no nahazoana ny sora-bola amin’ny asa samihafa tsy maintsy hatao, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, jeneraly Andriakaja Elack Olivier, teny Andrainarivo, […]
Firenena israelianina : nanome sakafo ho an’ny tokantrano 400
Na miatrika olana goavana aza ny firenena arabo nanomboka ny volana oktobra lasa teo hatramin’izao, tsy nanadino ny traboina any amin’ny faritra avaratra atsinanana vokatry ny rivodoza farany teo izy ireo. Nanatitra fanampiana misy vary, voamaina ary menaka ho an’ny tokantrano 400 (misy olona 2 000) ny filohan’ny Chambre de commerce […]
Minisiteran’ny Mponina sy firaisankina : nisongadina ny fanatonana ireo olona marefo
Fidinana teny an-kianja nanatona ny olona marefo no nifantohan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina tao anatin’ny 100 andro. Hampahaleo tena ireo marefo no tanjona. Nanao tombana ny 100 andro voalohany niasany ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina. Nisongadina ny zava-bita ary mbola betsaka ireo asa miandry izay hiompana hatrany amin’ny […]
Filankevitry ny minisitra any Toamasina: novahana ny olan’ny vahoaka eny ifotony
Notanterahina voalohany any Toamasina amin’izao fe-potoam-piasana faharoa ho an’ny filohan’ny Repoblika izao ny filankevitry ny minisitra any amin’ny faritra. Voaresaka nandritra izany ny fampandrosoana sy ny fampivoarana ny tanànan’i Toamasina. Eo koa ny fijerena ny filan’ny vahoaka sy ny olany ary ny hetahetany. “Efa misy drafitra ahafahana manafaingana ny asa […]




