Ampanarahana ny fenitra iraisam-pirenena ny kalitaon’ny sakafo eto amintsika. Hanombohana azy ny katsaka sy ny akoho amam-borona, mba ho tsara kalitao eo amin’ny lafiny varotra iraisam-pirenena. Atao eto Antananarivo, mandritra ny telo andro ( ny 16-18 avrily) ny atrikasam-paritra momba ny fepetra mifehy ny Fiarovana ara-tsakafo aty amin’ny ranomasimbe Indiana […]
Mois : avril 2024
Fampandrosoana eny ifotony : miantso fifanomezan-tanana ny Fizalaotra
Miantso ny mpikambana sy ny zanaky ny faritra ary ireo tsara sitrapo, hifanohana sy hifanome tanana ny Fikambanan’ny zanak’Alaotra (Fizalaotra). “Ndao isika hiara-hijery vahaolana entina miatrika ny olana maro samihafa aty, mba hisian’ny tena fampandrosoana mirindra sy hisitrahan’ny rehetra izany”, hoy ny filohany, Andriamahafaly Zaka, omaly. Nambarany fa misedra olana […]
Mpivarotra Fasankarana : ilaina ny fampiasana karatra biometrika
Nanao hetsika fanairana ny fikambanan’ny mpivarotra etsy amin’ny Fasankarana, omaly. Mitaky ny hanohizana ny fampiasana ny karatra biometrika eny anivon’ny tsena izy ireo. Midika ho fihemorana amin’ny fandrosoana misy ny fanafoanan’ny PDS izany, raha ny fanambaran’izy ireo. «Taorian’ny naoty fanafoanana izay nataon’ny PDS an’Antananarivo, lasa iharan’ny fandrahonana sy tsindrihazolena ireo […]
SOMBIM-BAOVAO
Hanomboka, afaka tapa-bolana, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Can 2024, taranja rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy sénior. Hiady ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2025” amin’ity ny XV Makis Ladies de Madagascar. Tsiahivina fa ny 4-12 mey ho avy izao ity fifanintsanana ity no hatao eny Andohatapenaka. Hotontosaina manomboka ny […]
Federasion’ny taekwondo : lany ho filoha Rakotomanana Franck
Tontosa teny Alarobia, omaly, ny fifidianana ny filohan’ny federasiona malagasin’ny taranja taekwondo (FMTKD). Rakotomanana Franck Tiana no lany hitantana ity taranja ity mandritra ny efa-taona. Nahazo vato dimy tamin’ireo ligy fito nahazo nifidy ny tenany. Vato roa kosa ny azon’ny kandidà mpifaninana taminy, Ramanantsoa Christian Richard, filohan’ny FMTKD teo aloha. Ny […]




