Mois : avril 2024

NY FIVAVAHANA: “Tsy tokony ho lasa fitaovana politika”

“Mila mitandrina isika amin’ ny resaka fivavahana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina sady mpanao politika, Rabary Paul, manoloana ny fisian’ny karazana antokom-pivavahana mijoro sy miasa etsy sy eroa amin’izao fotoana izao, izay misy lasa fitadiavam-bola na fangoronan-karena ny sasany. Lasa fanaovana afera ny fivavahana amin’izany, lasa fanodinkodinan-tsaina sy fandemen-tsaina. […]

Fifidianana… tsy ifamitahana

  Amin’izao fifidianana izao, tsy misy hadino ny vahoaka eny anivon’ny distrika; eny, na ny eny amin’ny kaominina aza, angamba. Ataon’ny mpirotsa-kofidina izay fomba rehetra hahazoana ny fo sy ny vaton’ ny olom-pirenena: fampanantenana hanao an’itsy na iroa, na tsy asan’ny depiote aza, ohatra, ny manao fotodrafitrasa. Tsy firy no […]

Fandraisana andraikitra : hanara-maso ny fifidianana ny tanora, ny vehivavy…

Hanetsika mpanara-maso ny fifidianana ny eo anivon’ny Safidy, amin’izao hiatrehana ny fifidianana depiote izao. Ahitana sokajin’olona samihafa izany fandraisana andraikitra izany. “Nisafidy ny hirotsaka ho Mpanara-maso fifidianana ireo tanora, vehivavy ary ny manana fahasembanana noho ny fahatsapan’izy ireo ny adidy masina amin’ny maha olompirenena mandray andraikitra sy amin’ny maha mpikambana feno azy […]

TSELATRA

Maty natelin’ny reniranon’i Matsiatra Mahasoabe Fianarantsoa ny zandary mpiana-draharaha iray ny sabotsy teo. Hita omaly atoandro ny razana. Telo lahy izy ireo no niara-nisasa teo amin’io renirano io. Tampoka teo anefa, natelin’ny rano tampoka ilay zandary mpiana-draharaha. Avotra kosa ireo namany roa lahy. Hita faty tao an-tranony, ao Village touristique […]

Arivonimamo: roa lahy nitazom-basy voasambotra

Nihazona basy tsy ara-dalàna, roa lahy nosamborin’ny polisy tao Ambohipeno Arivonimamo, ny 25 avrily teo. Nanao fisavana teny amin’ny Barrage securité, PK 48, ny mpitandro filaminana. Nosa­vain’izy ireo, tamin’io fotoana io, ireo roa lahy nandeha moto izay tsy nisy takelaby misy laharana “Plaque d’immatriculation”. Nahitana fitaovam-piadiana iray, niampy bala sy […]