Mois : avril 2024

Tarika Iraimbilanja : nangingina ny fampisehoana teny Antsahamanitra

Notanterahina omaly, teny Antsahamanitra, ny fampisehoana « Ndao hiverenana!», niarahana tamin’ny tarika Iraimbilanja. Anisan’ny santatra ho an’ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny tarika ity hetsika natao ity, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Niezaka nampiseho ny naha izy azy sy ny nahafantarana azy hatramin’izay izy ireo nandritra ny seho, na dia somary vitsy aza […]

Seho feno: nizara ny kantony i Farakely

« Farakely manontolo ». Izay angamba raha fehezina ny fampisehoana izay natolotr’ity mpanakanto ity, omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Fiarahan’ny tia sy ny manina, nanjakan’ny mozika misy fanahy no nitranga. Raha ny faha­tsapana ny karazana fihetseham-po naterak’ireo hira nalahatra, fotoana efa nandrasan’ireo tena mpankafy iny. Na tsy feno tanteraka aza ny […]

Nangina ilay feo manga… : nodimandry vokatry ny aretina i Lalie

48 taona i Lalie izao nodimandry izao. Tontosa ilay fandidiana natao taminy, saingy mbola nihombo ny aretiny ka nitarika ny fahafatesany. Nangina hatreo ilay feo tsy manam-paharoa… Niady mafy izy… Tsy na­hatohitra ny aretina anefa, ka nodimandry omaly maraina, Andriama­zava Hanitriniala Louise, fantatry ny maro amin’ny hoe Lalie. Nan­gina ilay […]

Sarimihetsika malagasy: Anisan’ny sangany sy nanana ny naha izy azy fahiny

Haikanto sy sehatr’ asa anisan’ny mbola malalaka ny tonto­lon’ny sarimihetsika eto Mada­gasikara, araka ny nambaran’ ireo Malagasy matihanina eo amin’io sehatra io. Mbola maro ihany koa ny ezaka tokony hatao mba hahatonga izany ho matihanina sy ara-dalàna. Ny taona 70 no tena fi­aingana ho an’ny sinema malagasy. Nahitana ny fanokafana ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nisaotra ireo nitondra am-bavaka azy ny kandidà depiote, Ramalason Olga. Nivoaka ny fonjan’Antanimora, ny zoma hariva, ny tenany. “Valim-bavaka izao ka isaorana Andriamanitra fa afaka soa aman-tsara. Mankasitraka antsika rehetra”, hoy izy. Tsiahivina, naiditra am-ponja ny 23 avrily teo izy noho ny fiahiahiana kolikoly tao Antsirabe. Nanentana ireo mpomba azy […]