Mois : avril 2024

American Center: misokatra amin’ny fanovozan-kevitra sy vaovao marim-pototra

Notokanana tamin’ny fom­ba ofisialy, omaly, ny ivontoerana American Center, izay toerana misokatra ho an’ny daholobe. Hahafahan’ny tsirairay mampivelatra ny fifandraisany mivantana sy ana habaka amin’i Etazonia, amin’ny alalan’ny fahazoana vaovao ny Amerika, ny fampianarana teny anglisy, ny torohevitra momba ny fianarana any Etazonia, ny teknolojia avolenta, izany. “Ahafa­ha­na manao fifanakalozana sy fandaharanasa […]

Noho ny fahanteran’ny fitaovana: mijaly rano tanteraka ny 4% ny tanàna eto Antananarivo

Nanazava ny tsy fahampian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina ny lehibe miandraikitra ny famatsiana rano ao amin’ny Jirama, Ramiara­manana Hilarion. Faritra mena amin’ny tsy fahampian-drano ny 4%ny tanàna eto Antana­narivo, tsy mahazo rano mihitsy na andro na alina. Tsy fahampian-drano maherin’ny 60 000m3 isan’andro no iainana eto Antananarivo. Fahanteran’ ny […]

“Tsenaben’ny zava-maniry”, andiany faharoa : Ahafahan’ny sehatry ny fambolena mizaka tena

Hifarana rahampitso, etsy amin’ny tokotanin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena Mahamasina, ny “Tsenabe ho an’ny zava-maniry”, andiany faharoa. Hetsika karakarain’ny Rian’ala nanomboka ny 25 Avrily teo. Ahitana tranoheva 50 mampiranty ny vokatra azo avy amin’ny fikolokoloana ny zava-maniry eny an-toerana. Anisan’izany ireo karazana masomboly hatrany amin’ny vokatra azo jifaina. “Tsy voatery ho […]

INDRAY MIJERY

Hetsika fanaovam-baksiny fito no hotan­terahina amin’ity taona ity. “Efatra fanaovam- baksiny faobe ho fanatrarana ireo tsy mbola nahavita ny vaksiny mahazatra. Roa hiarovana amin’ny aretina lefakozatra ary ny iray miaro amin’ny kitrotro”, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-baho aka. Mihoatra ny 90% ny taha fahavitana ny vaksiny hisorohana ny valanaretina samihafa […]