Tanterahina eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny sabotsy 27 avrily 2024, ny « Destination Magie II », iarahana amin’ny Magic Squad Madagascar. Fampisehoana Mazia goavana indrindra eto Madagasikara, iarahana amin’ireo matihanina amin’izany sehatra izany izy ity. Miisa dimy ireo handray anjara amin’ity fampisehoana ity ary samy manana ny mampiavaka azy […]
Mois : avril 2024
Andriamampianina Lanto Harifetra: « Misy ifandraisany ny kabary sy ny fanorona »
« Karana », io ny anarana ahafantaran’ny mpilalao fanorona an’Andriamampianina Lanto Harifetra. Mpikabary ihany koa ity tale teknikan’ny fanorona, teo aloha, ity. Ireo traikefa ananany ireo, niampy ny fikarohana vitany no nilazany fa: « misy ifandraisany ny fanorona sy ny kabary ». Dinika nifanaovana taminy. Gazety Taratra (*) : Sady mpikabary ianao no mpilalao fanorona. […]
FANTINA sy FINTINA
Voatendry ho governora mpisolo toerana ho an’ny faritra Ihorombe, Rakotondrasoa Annie Frankline, araka ny fanapahan’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha. Ho mpisolo toerana any Atsinanana, Bemahefa Gervais. Foana kosa ny fanendrena ny governoran’Itasy sy ny any Vatovavy. Nankatoavin’ny fanjakana ny fitazonana ny toerana misy ny masoivoho any Sina, amin’izao […]
Minisitry ny fanajariana ny tany : nanolotra 6 lavitrisa Ariary mahery
Nitsidika ny faritra Atsimo Andrefana ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, afakomaly. Nifampitaona sy nihaona tamin’ireo rehetra sy ny solontenan’ireo mponina nisitraka tombontsoa, tamin’ny alalan’ny tetikasa “Mionjo”, tany an-toerana, izy. Nanolotra vola 6 046 634 842 Ariary hanampiana ny kaominina maro, avy amin’ny distrika telo, ao anatin’ny […]
Aza fatra-pitsetsitra loatra!
Mandeha ny asa! Mitohy ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony, mandeha ny fidinana ifotony tarihin’ny filohan’ny Repoblika. Manao ranolava ny fahatongavan’ ny vahiny, manasonia fifanaraham-piaraha-miasa. Mandeha tsikelikely eny ny zava-drehetra! Tsy natao hampilavo lefona rahateo ny sedra maro isan-karazany, izay lalovan’ilay firenena sy ny vahoaka ao aminy. Iarahan’ny rehetra mizaka ny […]




