Mois : avril 2024

Razafiarison Laza: “Mila ovaina ny rafitra parlemantera”

Irosoana izao ny fifidianana depiote. Hanao ahoana? Manana ny fijeriny ny filohan’ny antoko RCR, Razafiarison Laza, fa ilaina ovaina ny rafitra parlemantera. Fanehoan-kevitra… “Raha depiote iray amin’ireo boriborintany enina eto Anta­na­narivo, ohatra, no manolotra lalàna: lalàna toy inona no azon’ny eny anivon’ny parlemanta hanatsarana an’Anta­nanarivo? Tsy misy izany. Noho izany, […]

TSELATRA

Mpandeha taksiborosy iray no very sakaosy lehibe teny Fasankarana, omaly maraina. Niainga avy any Manakara izy, afakomaly, ka teo am-pahatongavana vao nahatsikaritra fa tsy hita tao ambony fitoeran’entana ny sakaosiny. Manahy izy fa very nandritra ny fampidinana ny entan’ny mpandeha izany. Nambarany fa misy antontan-taratasy momba ny asany ao anatin’ilay […]

Fanafihan-dahalo: lehilahy maty voatifitra tao ambany heliny

Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon’ny olon-dratsy ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny tanàn’Ampahidambo, fokontany Mandriambero, kao­minina Mahavelona, distrika Ankazobe, ny alin’ny alarobia 24 avrily teo. Nitsoaka ireo nahavanon-doza. Tsikaritr’ireo dahalo fa avy nanao vary, notafihan’izy ireo ny raim-pianakaviana iray. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ireo olon-dratsy efa-dahy. Notifirin’ireo olon-dratsy teo […]

Ramalason Olga : nanampatra fahefana tao Antsirabe

Vesatra momba ny tsy fangaraharan’ny fitanana teo amin’ny kaominina Antsirabe, tamin’ny taona 2008, no ihazonana vonjimaika any am-ponja an-dRamalason Olga, izay ben’ny Tanàna teo aloha. Tompondraikitra voalohany tamin’ny fanafoanana ny taratasim-barotra momba ny tany nolovain’olona izy. Niady teny anivon’ny fitsarana ny tompon-tany rehefa nahalala fa tsy misoratra amin’izy ireo intsony […]

Opération « SARIKA 1 »: Jiolahy telo tratra teny Isotry

Mitohy ny hetsika « Sarika 1 » ataon’ny polisy ho famongorana ny asan-jiolahy mampikolay ny olona eto an-dRenivohitra. Nahitam-bokany izany satria jiolahy telo no tratran’ny polisin’ny boriborintany fahefatra (CSP4) Isotry. Tratra teo am-panendahana renim-pianakaviana iray ry zalahy. Nitondra antsy izy ireo nandritra ny fanendahana io vehivavy io, afakomaly. Lasan’ireo olon-dratsy ny finday, […]