Mois : avril 2024

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny 28 avrily ho avy izao, eto Antananarivo, ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, « Pureplay Football League (PFL) », taranja baolina kitra. Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny Fosa Junior Boeny sy ny 3FB Toliara. Nampahafantarin’ny Federasiona malagasin’ny basikety, omaly, fa tsy misy ny vola aloa rehefa […]

Tenisy – ITF/CAT African Junior : hiady ny medaly alimo, anio, i Mitia

Hionona amin’ny fiadiana ny laharana fahatelo, amin’ny handrombahana ny medaly alimo amin’ity sabotsy ity, i Andraina Voavy Mitia, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy, sokajy junior. Resy teo amin’ny manasa-dalana, i Andraina Voavy Mitia, nandritra ny ITF/CAT African Junior, taranja tenisy, sokajy vehivavy. Fihaonana notanterahina omaly, tao […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 5 ny milina « bloc moteurs » manodina herinaratra 75 MW, hanampy ny famokarana herina­ratra eny Ambohimanambola. Hahazo milina manana tanjaka 30 MW ihany koa ny any Toamasina, hanampy ny famokarana any an-toerana. Haverina hiasa indray ireo foibe fandanjana fiara vaventy, eny amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2). Maro loatra ny tsy fanarahan-dalàna, […]

Minisitra Andriantsitohaina Naina : “Tsy hisy indrafo ho an’ny mpangalatra tany”

Nambaran’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andrian­tsitohaina Naina, fa ho henjana ny fepetra horaisina momba ny fananan-tany. “Averina amin’ ny Malagasy ny tany… Hie­zaka ny minisitera amin’ireo dingana samihafa ho amin’ny fanavaozana ny lalàna momba ny fananan-tany ka tsy hisy in­drafo ho an’ireo mangalatra tany”, hoy izy, […]

Fenoarivo Atsinanana : hanangana ozinina manodina letisia

Mamokatra letisia ny any Analanjirofo. Manodidina ny 100 000 taonina isan-taona ny vokatra eto amintsika, nefa ny 20 000 t (20%) ihany no haondrana any ivelany. Nilaza ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra, Rakotondrazafy Fano, fa anisan’ny hananganana ozinina taninketsa indostrialy koa any Fenoarivo Atsinanana, faritra Analanjirofo, […]