Inter-Media 2024 : fantatra ireo ekipa iray vondrona

Tontosa tetsy amin’ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) etsy Ambohidahy, ny antsapaka ahalalana izay iray vondrona amin’ny fifaninanana iraisan’ny mpampahalala vaovao na ny Inter-Media 2024. Fifaninanana tanterahina etsy amin’ny kianja Annexe Mahamasina, ny sabotsy 4 mai ho avy izao. Anisan’ireo manana ekipa be indrindra ny vondrona Ultima-Media, misy ny gazety Taratra sy Les Nouvelles ary ny Bojy sy ny onjam-peo Alliance 92. Mahatratra dimy ny isan’ ireo hiatrika izany ka 3 ny eo amin’ny baolina kitra raha 2 ny eo amin’ny basikety.
Taranja be mpandray anjara indrindra ny baolina kitra lalaovin’olona 7, izay mahatratra 27 raha 14 ny eo amin’ny basikety. Hentitra ny mpikarakara amin’ny fanaraha-maso ireo mikasa hampiasa mpikaramanady amin’ity fihaonana ity. Lalaovina 15 mn indray mandeha ihany ny ny baolina kitra. Miakatra amin’ny ampahavalon-dalana ireo ekipa 2 voalohany isam-bondrona. “Iray eny an-kianja” ny lohahevitra amin’ity, izay mifanindry amin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny OJM.

Tompondaka

Partager sur: