Rugby – «Can vehivavy 2024» : nahazo fankatoavana ny kianja Makis Andohatapenaka

Afaka mandray lalao iraisam-pirenena ny kianjan’i Maki. Nankatoavin’ny Rugby Afrique fa mahafeno ny fenitra sy ny fepetra takina ny toeram-pilalaovana eny Andohatapenaka.

Tsy misy ahiahy intsony fa hotanterahina eto Ma­dagasikara, manomboka ny sabotsy 4 mai ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby vehivavy, lalaovina olona 15 (Can 2024). Efa nahazo ny fankatoavan’ny Rugby Afrique mantsy ny kianja Makis Andohatapenaka.
Ny alarobia 30 aprily lasa teo, tonga nanatanteraka izany teny an-toerana ny tale misahana ny fifaninanana eo anivon’ny Rugby Afrique, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Malagasy Rugby. Nojerena avokoa ireo toerana rehetra tao anatin’izany fotodrafitrasa izany, nanomboka teny ivelany, ny vavahady fidirana, ny fivarotana ny karatra, ny tao anatiny indray nozahana ifotony ny bozaka hilalaovana, ireo efitrano fisoloana akanjo, ny trano fivoahana, ny efitrano ho an’ny mpitsara, ireo birao rehetra.
Tsiahivina fa niova endrika tanteraka ny kianja Makis Andohatapenaka satria nasiana fefy manodidina ny toerana filalaovana tsy ho azon’ireo mpijery hidirana. Fepetra notakin’ny Rugby Afrique iza­ny.
Raha tsiahivina, haharitra hatramin’ny alahady 12 mai, ity Can ity, ary hiady lohany amin’izany ireo firenena efatra: i Madagasikara, mpampiantrano, Afrika Atsimo sy Kenya ary i Cameroun. Raha tsy misy ny fiovana, ho tonga anio ny ampahany amin’ireo ekipa vahiny.

Tompondaka

Partager sur: